Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I SAMUEL
Prev Up Next
Chapter 27
I Sa Mg1865 27:1  Ary Davida nanao anakampo hoe; Mbola ho fatin’ ny tànan’ i Saoly ihany aho indray androany; tsy misy mahasoa ahy afa-tsy ny mandositra haingana any amin’ ny tanin’ ny Filistina, dia hamoy ahy Saoly ka tsy hitady ahy eran’ ny tanin’ ny Isiraely intsony, dia ho afaka amin’ ny tànany aho.
I Sa Mg1865 27:2  Ary niainga Davida nandeha mbamin’ ny enin-jato lahy nanaraka azy nankany amin’ i Akisy, zanak’ i Maoka, mpanjakan’ i Gata.
I Sa Mg1865 27:3  Ary nitoetra tao amin’ i Akisy tao Gata Davida, dia izy sy ny olony, samy nomban’ ny ankohonany avy, ary Davida mbamin’ ny adiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila Karmelita, ilay novinadin’ i Nabala.
I Sa Mg1865 27:4  Ary nambara tamin’ i Saoly fa Davida efa nandositra nankany Gata, ka dia tsy nitady azy intsony izy.
I Sa Mg1865 27:5  Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ ny renivohitry ny fanjakana?
I Sa Mg1865 27:6  Dia nomen’ i Akisy azy androtrizay Ziklaga; ka dia an’ ny mpanjakan’ ny Joda ambaraka androany Ziklaga.
I Sa Mg1865 27:7  Ary ny andro nitoeran’ i Davida tany amin’ ny tanin’ ny Filistina dia herintaona sy efa-bolana.
I Sa Mg1865 27:8  Ary Davida sy ny olony niakatra ka nanafika ny Gesorita sy ny Gizrita ary ny Amalekita; fa ireo nonina tamin’ ny tany hatrizay ela izay, dia hatrany akaikin’ i Sora, hatramin’ ny tany Egypta.
I Sa Mg1865 27:9  Ary Davida namely ny tany, ka tsy nisy novelominy na lehilahy na vehivavy, sady namabo ondry aman’ osy sy omby sy boriky sy rameva ary fitafiana izy, dia niverina nankany amin’ i Akisy.
I Sa Mg1865 27:10  Ary hoy Akisy: Moa tsy nanafika va ianareo androany? Dia hoy Davida: Nanafika ny tany atsimo izay an’ i Joda sy izay an’ ny Jeramelita ary izay an’ ny Kenita izahay.
I Sa Mg1865 27:11  Ary tsy nisy novelomin’ i Davida ho entiny any Gata, na lehilahy na vehivavy; fa hoy izy: Andrao izahay lazainy hoe: Toy izany no nataon’ i Davida, ary toy izany no fanaony tamin’ ny andro rehetra nitoerany tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
I Sa Mg1865 27:12  Ary Akisy nino an’ i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.