Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I SAMUEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 12
I Sa Mg1865 12:1  Ary hoy Samoela tamin’ ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin’ izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
I Sa Mg1865 12:2  Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
I Sa Mg1865 12:3  Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan’ i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin’ iza moa no nalaiko? na borikin’ iza no nalaiko? na an’ iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan’ iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
I Sa Mg1865 12:4  Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan’ olona na dia iray akory aza.
I Sa Mg1865 12:5  Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
I Sa Mg1865 12:6  Ary hoy Samoela tamin’ ny olona: Jehovah no nanendry an’ i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta.
I Sa Mg1865 12:7  Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan’ i Jehovah aho ny amin’ ny asa marina rehetra izay nataon’ i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
I Sa Mg1865 12:8  Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin’ i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an’ i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin’ ity tany ity.
I Sa Mg1865 12:9  Nefa raha nanadino an’ i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan’ i Sisera, komandin’ ny miaramilan’ i Hazora, sy ho eo an-tànan’ ny Filistina ary ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Moaba, ka niadian’ ireo izy.
I Sa Mg1865 12:10  Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an’ i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
I Sa Mg1865 12:11  Ary Jehovah efa naniraka an’ i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
I Sa Mg1865 12:12  Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan’ ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
I Sa Mg1865 12:13  Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
I Sa Mg1865 12:14  Enga anie ka hatahotra an’ i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
I Sa Mg1865 12:15  Fa raha tsy mihaino ny tenin’ i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan’ i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
I Sa Mg1865 12:16  Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon’ i Jehovah eto imasonareo izao:
I Sa Mg1865 12:17  Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an’ i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason’ i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
I Sa Mg1865 12:18  Ary Samoela niantso an’ i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin’ izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an’ i Jehovah sy Samoela indrindra.
I Sa Mg1865 12:19  Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin’ i Samoela: Mangataha amin’ i Jehovah Andriamanitrao ho an’ ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin’ ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
I Sa Mg1865 12:20  Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an’ i Jehovah; fa manompoa Azy amin’ ny fonareo rehetra.
I Sa Mg1865 12:21  Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
I Sa Mg1865 12:22  Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
I Sa Mg1865 12:23  Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin’ i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
I Sa Mg1865 12:24  Kanefa matahora an’ i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin’ ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
I Sa Mg1865 12:25  Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.