Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I SAMUEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 8
I Sa Mg1865 8:1  Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.
I Sa Mg1865 8:2  Ary Joela no anaran’ ny lahimatoany, ary Abia no anaran’ ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.
I Sa Mg1865 8:3  Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.
I Sa Mg1865 8:4  Ary ny loholon’ ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin’ i Samoela
I Sa Mg1865 8:5  ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.
I Sa Mg1865 8:6  Fa tsy sitrak’ i Samoela ny nanaovan’ ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Samoela.
I Sa Mg1865 8:7  Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
I Sa Mg1865 8:8  Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin’ ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.
I Sa Mg1865 8:9  Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminy.
I Sa Mg1865 8:10  Dia nambaran’ i Samoela tamin’ ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain’ i Jehovah.
I Sa Mg1865 8:11  Ary hoy izy: Izao no ho fanaon’ ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin’ ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan’ ny kalesiny,
I Sa Mg1865 8:12  ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;
I Sa Mg1865 8:13  ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;
I Sa Mg1865 8:14  ary ny tsara indrindra amin’ ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin’ olivanareo dia halainy ka homeny ho an’ ny mpanompony;
I Sa Mg1865 8:15  ary ny ampahafolon’ ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an’ ny tandapany sy ny tandonany.
I Sa Mg1865 8:16  Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.
I Sa Mg1865 8:17  Ary halainy koa ny ampahafolon’ ny ondry aman’ osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
I Sa Mg1865 8:18  Ary hitaraina amin’ izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin’ izany andro izany.
I Sa Mg1865 8:19  Kanefa tsy nety nihaino ny tenin’ i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,
I Sa Mg1865 8:20  mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.
I Sa Mg1865 8:21  Ary ren’ i Samoela ny teny rehetra nolazain’ ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan’ i Jehovah kosa.
I Sa Mg1865 8:22  Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin’ ny tanànanareo avy ianareo rehetra.