I SAMUEL
Chapter 7
I Sa | Mg1865 | 7:1 | Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy. | |
I Sa | Mg1865 | 7:2 | Ary hatramin’ izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’ i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’ Isiraely rehetra nalahelo an’ i Jehovah. | |
I Sa | Mg1865 | 7:3 | Ary hoy Samoela tamin’ ny taranak’ Isiraely rehetra: Raha miverina amin’ i Jehovah amin’ ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’ i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny Filistina Izy. | |
I Sa | Mg1865 | 7:4 | Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’ Isiraely ka nanompo an’ i Jehovah irery ihany. | |
I Sa | Mg1865 | 7:5 | Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’ i Jehovah ho anareo aho. | |
I Sa | Mg1865 | 7:6 | Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa. | |
I Sa | Mg1865 | 7:7 | Ary rehefa ren’ ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak’ Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak’ Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina. | |
I Sa | Mg1865 | 7:8 | Dia hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’ i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ ny tanan’ ny Filistina. | |
I Sa | Mg1865 | 7:9 | Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah. | |
I Sa | Mg1865 | 7:10 | Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin’ ny Filistina tamin’ izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ ny Isiraely izy. | |
I Sa | Mg1865 | 7:11 | Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’ i Beti-kara. | |
I Sa | Mg1865 | 7:12 | Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’ i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao. | |
I Sa | Mg1865 | 7:13 | Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely intsony; ary ny tànan’ i Jehovah namely ny Filistina tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Samoela. | |
I Sa | Mg1865 | 7:14 | Ary ny tanàna izay efa nalain’ ny Filistina tamin’ ny Isiraely dia azon’ ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin’ ireo dia nalain’ ny Isiraely tamin’ ny tanan’ ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita. | |
I Sa | Mg1865 | 7:16 | Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin’ ireo tanàna rehetra ireo. | |