Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I SAMUEL
Prev Up Next
Chapter 5
I Sa Mg1865 5:1  Dia nalain’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra ka nentiny niala tany Ebenezera ho any Asdoda.
I Sa Mg1865 5:2  Ary nony efa azon’ ny Filistina ny fiaran’ Andriamanitra, dia nentiny tao an-tranon’ i Dagona izy ka napetrany teo anilany.
I Sa Mg1865 5:3  Ary nony ampitson’ iny dia nifoha maraina koa ny Asdodita, ka indro Dagona potraka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah; dia narenin’ ny olona izy ka napetrany teo amin’ ny fitoerany indray.
I Sa Mg1865 5:4  Ary nony ampitson’ iny indray dia nifoha maraina koa ny olona, ka indro Dagona potraka niankohoka indray tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah, ary tapaka teo amin’ ny tokonam-baravarana ny lohan’ i Dagona sy ny felatanany roa; fa ny tenabeny ihany no sisa
I Sa Mg1865 5:5  (izany no tsy anitsahan’ ny mpisoron’ i Dagona, na izay miditra ao an-tranony, ny tokonam-baravaran’ i Dagona ao Asdoda mandraka androany).
I Sa Mg1865 5:6  Ary navesatra tamin’ ny Asdodita ny tànan’ i Jehovah, fa nandringana azy Izy; ary nasiany vay ny tao Asdoda sy ny tamin’ ny fari-taniny rehetra.
I Sa Mg1865 5:7  Ary rehefa hitan’ ny mponina tao Asdoda fa nisy izany, dia hoy izy: Aza avela hitoetra eto amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely; fa mavesatra amintsika sy amin’ i Dagona andriamanitsika ny tànany.
I Sa Mg1865 5:8  Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina hankeo aminy ka nanao hoe: Hataontsika ahoana ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely? Dia hoy ireo: Aoka hafindra hankany Gata ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely. Dia nafindrany ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely.
I Sa Mg1865 5:9  Ary rehefa voafindrany ny fiara, dia namely ny tanàna ny tànan’ i Jehovah ka nampangorohoro azy indrindra, fa Izy namely ny mponina tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka nisy vay nipoipoitra taminy.
I Sa Mg1865 5:10  Ary dia naterin’ ny olona nankany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra. Ary raha vao tonga tany Ekrona ny fiaran’ Andriamanitra, dia nitaraina ny Ekronita nanao hoe: Efa nafindran’ ny olona ho atỳ amintsika ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely hahafaty antsika sy ny firenentsika.
I Sa Mg1865 5:11  Dia naniraka olona izy ka nanangona ireo andriana rehetra tamin’ ny Filistina ka nanao hoe: Ampandehano ny fiaran’ ny Andriamanitry ny Isiraely, ary aoka ho entina ho any amin’ ny fitoerany ihany indray izy mba tsy hahafaty antsika sy ny firenentsika; fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ ny fahafatesana, fa navesatra indrindra tao ny tànan’ Andriamanitra.
I Sa Mg1865 5:12  Ary ny olona izay tsy maty dia voan’ ny vay kosa, ka ny fitarainan’ ny tao an-tanàna dia niakatra ho any an-danitra.