Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I THESSALONIANS
1 2 3 4 5
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 4
I Th Mg1865 4:1  Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
I Th Mg1865 4:2  Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.
I Th Mg1865 4:3  Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
I Th Mg1865 4:4  mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ ny fahamasinana sy ny voninahitra,
I Th Mg1865 4:5  tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,
I Th Mg1865 4:6  mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
I Th Mg1865 4:7  Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.
I Th Mg1865 4:8  Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masìna.
I Th Mg1865 4:9  Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.
I Th Mg1865 4:10  Fa manao izany ihany ianareo amin’ ny rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
I Th Mg1865 4:11  ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
I Th Mg1865 4:12  mba handehananareo amin’ izay fitondran-tena mahamendrika amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
I Th Mg1865 4:13  Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
I Th Mg1865 4:14  Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.
I Th Mg1865 4:15  Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
I Th Mg1865 4:16  Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
I Th Mg1865 4:17  ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.
I Th Mg1865 4:18  Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.