Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I TIMOTHY
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next
Chapter 3
I Ti Mg1865 3:1  Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.
I Ti Mg1865 3:2  Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,
I Ti Mg1865 3:3  tsy mpimamo lian’ ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,
I Ti Mg1865 3:4  manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ ny fahamaotinana tsara
I Ti Mg1865 3:5  (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ Andriamanitra?),
I Ti Mg1865 3:6  tsy izay zazavao amin’ ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ ny fahamelohan’ ny devoly.
I Ti Mg1865 3:7  Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’ izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.
I Ti Mg1865 3:8  Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,
I Ti Mg1865 3:9  mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin’ ny finoana amin’ ny fieritreretana madio.
I Ti Mg1865 3:10  Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.
I Ti Mg1865 3:11  Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ ny zavatra rehetra.
I Ti Mg1865 3:12  Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.
I Ti Mg1865 3:13  Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an’ ny tenany sy fahasahiana be amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
I Ti Mg1865 3:14  Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankatỳ aminao faingana aza aho;
I Ti Mg1865 3:15  fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra, dia ny fiangonan’ Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan’ ny fahamarinana.
I Ti Mg1865 3:16  Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.