Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CORINTHIANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
II C Mg1865 2:1  Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo.
II C Mg1865 2:2  Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
II C Mg1865 2:3  Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
II C Mg1865 2:4  Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
II C Mg1865 2:5  Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
II C Mg1865 2:6  Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
II C Mg1865 2:7  ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany.
II C Mg1865 2:8  Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy.
II C Mg1865 2:9  Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
II C Mg1865 2:10  Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy,
II C Mg1865 2:11  fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
II C Mg1865 2:12  Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo,
II C Mg1865 2:13  dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
II C Mg1865 2:14  Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
II C Mg1865 2:15  Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
II C Mg1865 2:16  amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany?
II C Mg1865 2:17  Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.