II PETER
Chapter 1
II P | Mg1865 | 1:1 | Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’ i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ ny fahamarinan’ i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: | |
II P | Mg1865 | 1:2 | hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. | |
II P | Mg1865 | 1:3 | Efa nomen’ ny herin’ Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ ny voninahiny sy ny fahatsarany; | |
II P | Mg1865 | 1:4 | ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra amin’ izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’ izao tontolo izao noho ny filàna; | |
II P | Mg1865 | 1:5 | koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, | |
II P | Mg1865 | 1:6 | ary amin’ ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’ Andriamanitra, | |
II P | Mg1865 | 1:7 | ary amin’ ny toe-panahinareo araka an’ Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. | |
II P | Mg1865 | 1:8 | Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy Tompontsika. | |
II P | Mg1865 | 1:9 | Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ ny fahotany voalohany izy. | |
II P | Mg1865 | 1:10 | Ary amin’ izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; | |
II P | Mg1865 | 1:11 | fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ ny fanjakana mandrakizay, izay an’ i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika. | |
II P | Mg1865 | 1:12 | Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’ izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ ny fahamarinana izay efa eo aminareo. | |
II P | Mg1865 | 1:13 | Fa raha mbola eto amin’ ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin’ ny fampahatsiarovana anareo, | |
II P | Mg1865 | 1:14 | satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’ i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa. | |
II P | Mg1865 | 1:15 | Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho. | |
II P | Mg1865 | 1:16 | Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ ny fahafetsen’ ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandrianany. | |
II P | Mg1865 | 1:17 | Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay sitrako”. | |
II P | Mg1865 | 1:18 | Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masìna izahay. | |
II P | Mg1865 | 1:19 | Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro; | |
II P | Mg1865 | 1:20 | fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masìna dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany; | |