II PETER
Chapter 2
II P | Mg1865 | 2:1 | Efa nisy mpaminany sandoka teo amin’ ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho amin’ ny tenany. | |
II P | Mg1865 | 2:2 | Ary maro no hanaraka ny fijejojejoany; ka ireny no hitenenan-dratsy ny lalan’ ny fahamarinana. | |
II P | Mg1865 | 2:3 | Ary amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin’ ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany. | |
II P | Mg1865 | 2:4 | Fa raha tsy navelan’ Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin’ ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin’ ny fitsarana, | |
II P | Mg1865 | 2:5 | ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’ i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin’ ny ratsy fanahy teo amin’ izao tontolo izao,― | |
II P | Mg1865 | 2:6 | ary raha nataony nanjary lavenona ny tanàna Sodoma sy Gomora ka nohelohiny horavana ary nataony fananarana ho an’ izay ratsy fanahy ato aoriana,― | |
II P | Mg1865 | 2:7 | fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka | |
II P | Mg1865 | 2:8 | (fa izany lehilahy marina izany, raha nitoetra teo aminy, dia nahory loatra ny fanahiny marina isan’ andro isan’ andro noho ny nahitany sy ny nandrenesany ny fandikan’ ireo ny lalàna): | |
II P | Mg1865 | 2:9 | dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ ny fijaliana ho amin’ ny andro fitsarana,― | |
II P | Mg1865 | 2:10 | indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan’ ny nofo hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra. | |
II P | Mg1865 | 2:11 | Fa ny anjely aza, izay mihoatra amin’ ny tanjaka sy ny hery, tsy mitondra fiampangana hitenenan-dratsy azy eo anatrehan’ ny Tompo. | |
II P | Mg1865 | 2:12 | Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan’ aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin’ ny fahalotoany, | |
II P | Mg1865 | 2:13 | ary hiharan’ ny ratsy ho valin’ ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin’ ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin’ ny fy eo amin’ ny fanasam-pifankatiavany, raha miara-mihinana aminareo. | |
II P | Mg1865 | 2:14 | manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin’ ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin’ ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy; | |
II P | Mg1865 | 2:15 | efa niala tamin’ ny lalana mahitsy izy ka nivily nanaraka ny lalan’ i Balama, zanak’ i Beora, izay tia ny tambin’ ny tsi-fahamarinana. | |
II P | Mg1865 | 2:16 | nefa voanatra izy noho ny fahotany: ny boriky moana efa nanao feon’ olona ka nisakana ny hadalan’ ilay mpaminany. | |
II P | Mg1865 | 2:17 | Ireo efa loharano ritra, zavona entin’ ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan’ ny maizina. | |
II P | Mg1865 | 2:18 | Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan’ ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ ny velona eo amin’ ny fahadisoana intsony; | |
II P | Mg1865 | 2:19 | fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy. | |
II P | Mg1865 | 2:20 | Fa raha misy efa afaka amin’ ny fahalotoan’ izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’ i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’ izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. | |
II P | Mg1865 | 2:21 | Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ ny fahamarinana toy izay hiala amin’ ny didy masìna natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. | |