Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II SAMUEL
Prev Up Next
Chapter 21
II S Mg1865 21:1  Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
II S Mg1865 21:2  Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ ny Zanak’ Isiraely, fa sisa tamin’ ny Amorita, ary ny Zanak’ Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ ny firehetan’ ny fitiavany ny Zanak’ Isiraely sy ny Joda),
II S Mg1865 21:3  ary hoy Davida tamin’ ny Gibeonita: Inona no hataoko ho anareo; ary amin’ inona no hanaovako fanavotana mba hitsofanareo rano ny lovan’ i Jehovah?
II S Mg1865 21:4  Dia hoy ny Gibeonita taminy: Izahay tsy mahazo mandray volafotsy na volamena amin’ i Saoly na amin’ ny taranany sady tsy mahazo mamono olona amin’ ny Isiraely Ary hoy izy: Koa ahoana ary no tianareo hataoko ho anareo?
II S Mg1865 21:5  Dia hoy izy ireo tamin’ ny mpanjaka: Ny lehilahy izay nandringana anay sy nikasa hamely anay ho ringana tsy hitoetra amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra
II S Mg1865 21:6  no avelao hisy fito lahy amin’ ny zanany hatolotra anay hahantonay ho an’ i Jehovah ao Gibean’ i Saoly, ilay voafidin’ i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka: Hatolotro izy.
II S Mg1865 21:7  Fa ny mpanjaka niaro an’ i Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, noho ny fianianana tamin’ i Jehovah nataon’ i Davida sy Jonatana, zanak’ i Saoly.
II S Mg1865 21:8  Ary ny mpanjaka naka azy roa lahy, zanak’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, izay naterany tamin’ i Saoly, dia Armony sy Mefiboseta, ary ny dimy lahy zanak’ i Mikala, zanakavavin’ i Saoly, izay naterany tamin’ i Adriela, zanak’ i Barzilay Meholatita,
II S Mg1865 21:9  dia natolony teo an-tànan’ ny Gibeonita ireo ka nahanton’ ireo teo amin’ ny havoana teo anatrehan’ i Jehovah; ary niara-maty izy fitolahy, samy novonoiny tamin’ ny niandohan’ ny fararano tamin’ ny voalohan’ ny taom-pijinjana ny vary hordea izy.
II S Mg1865 21:10  Ary Rizpa, zanakavavin’ i Aia, naka lamba fisaonana, dia novelariny teo amin’ ny vatolampy iny hitoerany hatramin’ ny niandohan’ ny taom-pijinjana ka ambara-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin’ ny faty, ka tsy navelany hipetrahan’ ny voro-manidina ireo raha antoandro, na ny bibi-dia raha alina.
II S Mg1865 21:11  Ary nambara tamin’ i Davida izay nataon’ i Rizpa, zanakavavin’ i Aia, vaditsindranon’ i Saoly.
II S Mg1865 21:12  Dia lasa Davida naka ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany tany amin’ ny mponina tao Jabesi-gileada, izay nangalatra azy tao an-kalalahana any Beti-sana, ilay nanantonan’ ny Filistina azy tamin’ ny andro namonoan’ ny Filistina an’ i Saoly tao Gilboa.
II S Mg1865 21:13  Ary dia nentiny niakatra avy tany ny taolan’ i Saoly sy ny taolan’ i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan’ ireo voahantona ireo.
II S Mg1865 21:14  Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
II S Mg1865 21:15  Ary niady indray ny Filistina sy ny Isiraely; ary Davida sy ny mpanompony izay nanaraka azy dia nidina ka niady tamin’ ny Filistina, ary reraka Davida.
II S Mg1865 21:16  Ary Jisbibenoba, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta (ny lanjan’ ny lefony dia varahina telon-jato sekely), dia nitondra fiadiana vaovao ka nikasa hahafaty an’ i Davida.
II S Mg1865 21:17  Fa Abisay, zanak’ i Zeroia, nanampy azy, dia namely ilay Filistina ka nahafaty azy. Ary tamin’ izay ny olon’ i Davida dia nianiana taminy ka nanao hoe: Tsy hiara-mivoaka aminay intsony ho amin’ ny ady ianao, fandrao hovonoinao ny fahazavan’ ny Isiraely.
II S Mg1865 21:18  Ary nony afaka izany, dia nisy ady indray amin’ ny Filistina teo Goba, ary Sibeka Hosatita nahafaty an’ i Safa, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta.
II S Mg1865 21:19  Ary nisy ady indray koa tamin’ ny Filistina teo Goba, ary Elanana, zanak’ i Jare-oregima Betlehemita, namono an’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
II S Mg1865 21:20  Ary nisy ady koa tao Gata, ary nisy lehilahy vaventy, izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony, ary izy koa dia mba teraky ny Refaïta.
II S Mg1865 21:21  Ary izy nihaika ny Isiraely, ka matin’ i Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
II S Mg1865 21:22  Ireo efatra ireo no teraky ny Refaïta teo Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony avokoa ireo.