II SAMUEL
Chapter 23
II S | Mg1865 | 23:1 | Ary izao no fara-teny nataon’ i Davida: hoy Davida, zanak’ i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry ny Andriamanitr’ i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin’ ny Isiraely: | |
II S | Mg1865 | 23:3 | Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra; | |
II S | Mg1865 | 23:4 | Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana. | |
II S | Mg1865 | 23:5 | Ary tsy toy izany indrindra amin’ Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin’ ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? | |
II S | Mg1865 | 23:6 | Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin’ ny tanana izy; | |
II S | Mg1865 | 23:7 | Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona; Ary hodorana amin’ ny afo avokoa amin’ izay itoerany ireny. | |
II S | Mg1865 | 23:8 | Ary izao no anaran’ ny lehilahy maherin’ i Davida: Joseba-basebeta Takemonita no lehiben’ ny mpanafika malaza; izy ilay Edino Eznita izay namely ny valon-jato lahy ka nahafaty azy tamin’ ny ady indray mandeha monja. | |
II S | Mg1865 | 23:9 | Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak’ i Dodo, zanak’ i Ahohita, anankiray amin’ izy telo lahy mahery teo amin’ i Davida, raha nihaika ny Filistina izay niangona hiady ireo, ka niakatra ny lehilahy amin’ ny Isiraely; | |
II S | Mg1865 | 23:10 | dia nitsangana Eleazara ka namely ny Filistina mandra-pahavizan’ ny tànany ka efa niraikitra tamin’ ny sabatra; ary Jehovah nanao famonjena lehibe tamin’ izany andro izany, ka ny haka babo ihany no sisa nanarahan’ ny olona azy. | |
II S | Mg1865 | 23:11 | Ary ny manarakaraka azy dia Sama, zanak’ i Age Hararita. Ary nony nivory ho iray toko teo amin’ ny tany nisy voanemba maniry ny Filistina, ary ny olona nandositra azy, | |
II S | Mg1865 | 23:12 | dia nijanona teo afovoan’ io tany io kosa izy ka nahazo io ary namono ny Filistina; ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah. | |
II S | Mg1865 | 23:13 | Ary nisy telo lahy samy malaza avy tamin’ ny telo-polo lahy nidina ka tonga tao amin’ i Davida tao amin’ ny zohin’ i Adolama nony fararano; ary ny miaramilan’ ny Filistina nitoby teo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta. | |
II S | Mg1865 | 23:14 | Ary Davida dia tao amin’ ny batery fiarovana tamin’ izay, ary ny miaramilan’ ny Filistina kosa dia tao Betlehema. | |
II S | Mg1865 | 23:15 | Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ ny vavahady! | |
II S | Mg1865 | 23:16 | Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ ny miaramilan’ ny Filistina ka nanovo rano tamin’ ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ ny vavahady, dia nentiny ho any amin’ i Davida; kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an’ i Jehovah iny. | |
II S | Mg1865 | 23:17 | Fa hoy Davida: Sanatria, Jehovah ô, raha hanao izany aho; tsy ran’ ny lehilahy izay nandeha nanao vy very ny ainy va ity? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ ireo telo lahy mahery ireo. | |
II S | Mg1865 | 23:18 | Ary Abisay, rahalahin’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, no lehibe amin’ izy telo lahy, ary izy namely ny telon-jato lahy tamin’ ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin’ izy telo lahy. | |
II S | Mg1865 | 23:19 | Tsy izy va no be voninahitra noho izy telo lahy? Fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby ny telo lahy teo izy. | |
II S | Mg1865 | 23:20 | Ary Benaia, zanak’ i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabezela, izay nahavita asa be, izy no namono ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy no nidina ka namono ny liona tao an-davaka fantsakana tamin’ ilay andro nisy oram-panala iny; | |
II S | Mg1865 | 23:21 | ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry be; ary ilay Egyptiana nitondra lefona teny an-tànany, nefa namorotsahan’ i Benaia tamin’ ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan’ ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy. | |
II S | Mg1865 | 23:22 | Izany no nataon’ i Benaia, zanak’ i Joiada, ary tamin’ izy telo lahy mahery dia izy no nalaza. | |
II S | Mg1865 | 23:23 | Izy no nalaza noho ny telo-polo lahy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy. Ary Davida nanendry azy ho isan’ ny mpanolo-tsaina azy. | |
II S | Mg1865 | 23:24 | Asahela, rahalahin’ i Joaba, no anankiray amin’ ny telo-polo, ary Elanana, zanak’ i Dodo, avy any Betlehema, | |
II S | Mg1865 | 23:29 | Haleba, zanak’ i Bana Netofatita, Itahy, zanak’ i Ribay, avy any Gibean’ ny taranak’ i Benjamina, | |
II S | Mg1865 | 23:34 | Elifeleta, zanak’ i Ahasbay, zanaky ny Makatita, Eliama, zanak’ i Ahitofela Gilonita, | |