Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II SAMUEL
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 24
II S Mg1865 24:1  Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra indray tamin’ ny Isiraely, ka dia nanome saina an’ i Davida Izy hanao izay hahatonga loza amin’ ny vahoakany hoe: Mandehana, isao ny Isiraely sy ny Joda.
II S Mg1865 24:2  Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Joaba, komandin’ ny miaramila, izay teo aminy: Mandehana mitety ny firenen’ isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, ary alaminonareo ny vahoaka mba ho fantatro ny isany.
II S Mg1865 24:3  Fa hoy Joaba amin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hampitombo ny vahoaka ho injato toy izao, na firy na firy izy, ka ho hitan’ ny mason’ ny mpanjaka tompoko izany; fa ahoana no itiavan’ ny mpanjaka tompoko hanao izany zavatra izany?
II S Mg1865 24:4  Nefa tsy azon’ i Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nolavina ny tenin’ ny mpanjaka. Ary Joaba sy ny komandin’ ny miaramila nivoaka avy teo anatrehan’ ny mpanjaka handamina ny lehilahy amin’ ny Isiraely.
II S Mg1865 24:5  Ary nita an’ i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera eo ankavanan’ ilay tanàna afovoan’ ny lohasahan-driak’ i Gada, dia nankany Jazera.
II S Mg1865 24:6  Dia tonga tany Gileada izy, tany amin’ ny tamin’ i Tatima-hodsy, dia tonga tany Danajana izy, ka nanodidina hatrany Sidona,
II S Mg1865 24:7  ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin’ ny tanànan’ ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin’ ny tany atsimo izay an’ ny Joda hatrany Beri-sheba izy.
II S Mg1865 24:8  Ary nony efa nitety ny tany rehetra izy, dia tonga tany Jeroselama, rehefa afaka sivy volana sy roa-polo andro.
II S Mg1865 24:9  Dia natolotr’ i Joaba ny mpanjaka ny isan’ ny vahoaka voalamina, ka nisy valo hetsy ny lehilahy mahery nahatan-tsabatra tamin’ ny Isiraely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’ ny Joda.
II S Mg1865 24:10  Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
II S Mg1865 24:11  Ary raha nifoha maraina Davida, dia tonga tamin’ i Gada mpaminany, mpahitan’ i Davida, ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
II S Mg1865 24:12  Mandehana, ka lazao amin’ i Davida hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zavatra telo no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.
II S Mg1865 24:13  Ary Gada nankany amin’ i Davida dia nanambara izany taminy ka nanao hoe: Mosary fito taona va no tianao ho tonga aminao eto amin’ ny taninao? Sa handositra telo volana eo anoloan’ ny fahavalonao ianao, fa henjehiny? Sa areti-mandringana hateloana eto amin’ ny taninao? Koa saino sy hevero izay valiny ho entiko miverina any amin’ izay naniraka ahy.
II S Mg1865 24:14  Dia hoy Davida tamin’ i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! aleontsika ho azon’ ny tànan’ i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon’ izay tànan’ olona.
II S Mg1865 24:15  Ka dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin’ ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
II S Mg1865 24:16  Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ ny loza ka nanao tamin’ ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah dia teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
II S Mg1865 24:17  Ary nony hitan’ i Davida Ilay Anjely namely ny olona, dia niteny tamin’ i Jehovah izy nanao hoe: Indro, izaho no efa nanota, ary izaho no efa anao ratsy; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin’ ny raiko.
II S Mg1865 24:18  Ary Gada nankany amin’ i Davida tamin’ izany andro izany ka nanao taminy hoe: Miakara, ka manangàna alitara ho an’ i Jehovah ao amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.
II S Mg1865 24:19  Koa dia niakatra Davida araka ny tenin’ i Gada, araka izay nandidian’ i Jehovah.
II S Mg1865 24:20  Ary Araona nitsirika ka nahita ny mpanjaka sy ny mpanompony manatona azy, dia nivoaka izy ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka.
II S Mg1865 24:21  Ary hoy Araona: Ahoana no ahatongavan’ ny mpanjaka tompoko atỳ amin’ ny mpanompony? Dia hoy Davida: Hividy ny famoloana aminao mba hanorenako alitara ho an’ i Jehovah hitsaharan’ ny areti-mandringana tsy hamely ny olona intsony.
II S Mg1865 24:22  Fa hoy Araona tamin’ i Davida: Aoka ny mpanjaka tompoko haka izay sitrany ka hanatitra izany. Indreo ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary sy ny hazo amin’ ny omby hatao kitay.
II S Mg1865 24:23  Izany rehetra izany, ry mpanjaka, dia omen’ i Araona ny mpanjaka. Ary hoy Araona tamin’ ny mpanjaka: Jehovah Andriamanitrao anie hankasitraka anao.
II S Mg1865 24:24  Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Araona: Tsia, fa hovidiko aminao mihitsy araka izay tokom-bidiny ireo; fa tsy hanatitra fanatitra dora na ho an’ i Jehovah Andriamanitro amin’ izay azoko fotsiny aho. Ka dia novidin’ i Davida sekely volafotsy dimam-polo ny famoloana sy ny omby.
II S Mg1865 24:25  Ary Davida nanao alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Ka dia neken’ i Jehovah ny fifonana natao ho an’ ny tany, ka nitsahatra tsy namely ny Isiraely intsony ilay areti-mandringana.