II SAMUEL
Chapter 22
II S | Mg1865 | 22:1 | Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly, | |
II S | Mg1865 | 22:3 | Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ ny fampahoriana Hianao. | |
II S | Mg1865 | 22:4 | Miantso an’ i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko. | |
II S | Mg1865 | 22:5 | Fa nihodidina tamiko ny onjan’ ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:6 | Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. | |
II S | Mg1865 | 22:7 | Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny. | |
II S | Mg1865 | 22:8 | Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. | |
II S | Mg1865 | 22:9 | Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. | |
II S | Mg1865 | 22:10 | Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony. | |
II S | Mg1865 | 22:11 | Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ ny ela-drivotra Izy. | |
II S | Mg1865 | 22:12 | Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina | |
II S | Mg1865 | 22:15 | Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy. | |
II S | Mg1865 | 22:16 | Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony. | |
II S | Mg1865 | 22:17 | Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy. | |
II S | Mg1865 | 22:18 | Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny. | |
II S | Mg1865 | 22:19 | Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:21 | Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:22 | Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro; | |
II S | Mg1865 | 22:25 | Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony. | |
II S | Mg1865 | 22:27 | Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. | |
II S | Mg1865 | 22:28 | Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny. | |
II S | Mg1865 | 22:30 | Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. | |
II S | Mg1865 | 22:31 | Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy. | |
II S | Mg1865 | 22:32 | Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? | |
II S | Mg1865 | 22:33 | Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ ny lalany Izy. | |
II S | Mg1865 | 22:34 | Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy. | |
II S | Mg1865 | 22:36 | Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:38 | Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany. | |
II S | Mg1865 | 22:39 | Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ ny tongotro izy. | |
II S | Mg1865 | 22:40 | Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:42 | Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’ i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy. | |
II S | Mg1865 | 22:43 | Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako. | |
II S | Mg1865 | 22:44 | Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:45 | Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy. | |
II S | Mg1865 | 22:46 | Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy. | |
II S | Mg1865 | 22:47 | Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy, | |
II S | Mg1865 | 22:49 | Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe; | |
II S | Mg1865 | 22:50 | Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. | |