II SAMUEL
Chapter 12
II S | Mg1865 | 12:1 | Ary Jehovah naniraka an’ i Natana hankao amin’ i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo. | |
II S | Mg1865 | 12:3 | fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin’ ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin’ ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy. | |
II S | Mg1865 | 12:4 | Ary nisy vahiny tonga tao amin’ ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an’ ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak’ ondry vavin’ ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an’ ilay olona tonga tao aminy. | |
II S | Mg1865 | 12:5 | Dia nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Davida tamin’ izany olona izany, ka hoy izy tamin’ i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany; | |
II S | Mg1865 | 12:6 | ary ilay zanak’ ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo. | |
II S | Mg1865 | 12:7 | Dia hoy Natana tamin’ i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin’ ny tànan’ i Saoly; | |
II S | Mg1865 | 12:8 | ary nomeko anao ny tranon’ ny tomponao sy ny vadin’ ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen’ Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao; | |
II S | Mg1865 | 12:9 | koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’ i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin’ ny sabatry ny taranak’ i Amona izy. | |
II S | Mg1865 | 12:10 | Koa noho izany dia tsy hiala amin’ ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin’ i Oria Hetita ho vadinao. | |
II S | Mg1865 | 12:11 | Izao koa no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ ny vadinao amin’ izao antoandrobenanahary izao. | |
II S | Mg1865 | 12:12 | Fa ianao nanao izany tao amin’ ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra sy amin’ izao antoandrobenanahary izao. | |
II S | Mg1865 | 12:13 | Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao. | |
II S | Mg1865 | 12:14 | Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’ i Jehovah amin’ izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao. | |
II S | Mg1865 | 12:15 | Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin’ i Oria tamin’ i Davida, ka dia narary be ny zaza. | |
II S | Mg1865 | 12:16 | Ary nifona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin’ ny tany mandritra ny alina. | |
II S | Mg1865 | 12:17 | Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin’ ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy. | |
II S | Mg1865 | 12:18 | Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon’ i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan’ ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan’ ny zaza? fandrao hanimba tena izy. | |
II S | Mg1865 | 12:19 | Ary nony hitan’ i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty. | |
II S | Mg1865 | 12:20 | Dia niarina tsy nandry tamin’ ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin’ ny tranon’ i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy. | |
II S | Mg1865 | 12:21 | Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa. | |
II S | Mg1865 | 12:22 | Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia? | |
II S | Mg1865 | 12:23 | Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony. | |
II S | Mg1865 | 12:24 | Ary Davida nampionona an’ i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy, | |
II S | Mg1865 | 12:25 | dia naniraka an’ i Natana mpaminany ka nanao ny anaran’ ny zaza hoe Jedidia noho ny amin’ i Jehovah. | |
II S | Mg1865 | 12:26 | Ary Joaba namely an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona ka nahafaka ny tanànan’ ny mpanjaka. | |
II S | Mg1865 | 12:27 | Ary Joaba naniraka olona tany amin’ i Davida nanao hoe: Namely an’ i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano. | |
II S | Mg1865 | 12:28 | Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy. | |
II S | Mg1865 | 12:29 | Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy. | |
II S | Mg1865 | 12:30 | Dia nesoriny ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny. | |
II S | Mg1865 | 12:31 | Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin’ ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin’ ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema. | |