Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II TIMOTHY
1 2 3 4
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 3
II T Mg1865 3:1  Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
II T Mg1865 3:2  Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masìna,
II T Mg1865 3:3  tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
II T Mg1865 3:4  mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’ Andriamanitra,
II T Mg1865 3:5  manana ny endriky ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
II T Mg1865 3:6  Fa isan’ ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ ny fahotana, entin’ ny filàna maro,
II T Mg1865 3:7  mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
II T Mg1865 3:8  Ary tahaka ny nanoheran’ i Jana sy Jambra an’ i Mosesy no anoheran’ ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
II T Mg1865 3:9  Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ ny olona rehetra, tahaka ny an’ ireo koa.
II T Mg1865 3:10  Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
II T Mg1865 3:11  ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany.
II T Mg1865 3:12  Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina.
II T Mg1865 3:13  Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
II T Mg1865 3:14  Fa ianao kosa dia mahareta amin’ izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
II T Mg1865 3:15  fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masìna, izay mampahahendry anao ho amin’ ny famonjena amin’ ny finoana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
II T Mg1865 3:16  Izay soratra rehetra nomen’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ ny fahamarinana,
II T Mg1865 3:17  mba ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ ny asa tsara rehetra.