MICAH
Chapter 1
Mica | Mg1865 | 1:1 | Ny tenin’ i Jehovah izay tonga tamin’ i Morastita tamin’ ny andro nanjakan’ i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan’ ny Joda, dia ilay hitany ny amin’ i Samaria sy Jerosalema. | |
Mica | Mg1865 | 1:2 | Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin’ ny tempoliny masìna. | |
Mica | Mg1865 | 1:3 | Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ ny fitoerany Ary midìna ka mandia ny havoana amin’ ny tany. | |
Mica | Mg1865 | 1:4 | Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ ny hantsana. | |
Mica | Mg1865 | 1:5 | Noho ny fahadisoan’ i Jakoba sy ny fahotan’ ny taranak’ Isiraely no isian’ izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’ i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’ i Joda? Tsy Jerosalema va? | |
Mica | Mg1865 | 1:6 | Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany. | |
Mica | Mg1865 | 1:7 | Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ ny vehivavy janga indray izy. | |
Mica | Mg1865 | 1:8 | Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa. | |
Mica | Mg1865 | 1:9 | Fa tsy azo sitranina ny ferin’ i Samaria; Fa mihatra amin’ i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ ny oloko aza, dia any Jerosalema. | |
Mica | Mg1865 | 1:10 | Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho. | |
Mica | Mg1865 | 1:11 | Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’ i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao. | |
Mica | Mg1865 | 1:12 | Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’ i Jehovah ho ao am-bavahadin’ i Jerosalema. | |
Mica | Mg1865 | 1:13 | Fehezo amin’ ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ ny fahotan’ i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’ Isiraely. | |
Mica | Mg1865 | 1:14 | Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’ i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ireo tranon’ i Akziba. | |
Mica | Mg1865 | 1:15 | Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’ Isiraely. | |