Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
RUTH
1 2 3 4
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 2
Ruth Mg1865 2:1  Ary nisy havan’ ny vadin’ i Naomy avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
Ruth Mg1865 2:2  Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin’ i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’ izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka.
Ruth Mg1865 2:3  Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ ny tanimbarin’ i Boaza, izay avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, izy.
Ruth Mg1865 2:4  Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin’ ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah.
Ruth Mg1865 2:5  Dia hoy Boaza tamin’ ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak’ iza moa io zazavavy io?
Ruth Mg1865 2:6  Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an’ i Naomy avy tany amin’ ny tany Moaba io;
Ruth Mg1865 2:7  fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian’ ny mpijinja eny anelanelan’ ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
Ruth Mg1865 2:8  Dia hoy Boaza tamin’ i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan’ ny zatovovavy.
Ruth Mg1865 2:9  Aoka ny masonao ho amin’ ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ ny siny, ka misotroa amin’ izay antsakain’ ny zatovo.
Ruth Mg1865 2:10  Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho?
Ruth Mg1865 2:11  Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao.
Ruth Mg1865 2:12  Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
Ruth Mg1865 2:13  Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho.
Ruth Mg1865 2:14  Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
Ruth Mg1865 2:15  Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian’ i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan’ ny amboara aza, ka aza maninona azy.
Ruth Mg1865 2:16  Ary asio latsadatsaka avy amin’ ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy.
Ruth Mg1865 2:17  Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
Ruth Mg1865 2:18  Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan’ ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany.
Ruth Mg1865 2:19  Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany
Ruth Mg1865 2:20  Dia hoy Naomy tamin’ ny vinantonivavy: Hotahin’ i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’ izay mahavotra antsika izy.
Ruth Mg1865 2:21  Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan’ ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana.
Ruth Mg1865 2:22  Ary hoy Naomy tamin’ i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa.
Ruth Mg1865 2:23  Ary izy tsy nety nisaraka tamin’ ny zatovovavin’ i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin’ ny rafozani-vavy Izy.