RUTH
Chapter 2
Ruth | Mg1865 | 2:1 | Ary nisy havan’ ny vadin’ i Naomy avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany. | |
Ruth | Mg1865 | 2:2 | Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin’ i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian’ izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka. | |
Ruth | Mg1865 | 2:3 | Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ ny tanimbarin’ i Boaza, izay avy amin’ ny fokon’ i Elimeleka, izy. | |
Ruth | Mg1865 | 2:4 | Ary, indro, Boaza tonga avy tany Betlehema ka niteny tamin’ ny mpijinja hoe: Jehovah anie ho aminareo. Dia hoy kosa Ireo taminy: Hitahy anao anie Jehovah. | |
Ruth | Mg1865 | 2:5 | Dia hoy Boaza tamin’ ny zatovony, izay nitandrina ny mpijinja: Zanak’ iza moa io zazavavy io? | |
Ruth | Mg1865 | 2:6 | Dia namaly ilay zatovo nitandrina ny mpijinja ka nanao hoe: Zazavavy Moabita, izay niverina nomba an’ i Naomy avy tany amin’ ny tany Moaba io; | |
Ruth | Mg1865 | 2:7 | fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian’ ny mpijinja eny anelanelan’ ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano. | |
Ruth | Mg1865 | 2:8 | Dia hoy Boaza tamin’ i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan’ ny zatovovavy. | |
Ruth | Mg1865 | 2:9 | Aoka ny masonao ho amin’ ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ ny siny, ka misotroa amin’ izay antsakain’ ny zatovo. | |
Ruth | Mg1865 | 2:10 | Dia niondrika sy niankohoka tamin’ ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho? | |
Ruth | Mg1865 | 2:11 | Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan’ ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin’ ny firenena tsy mbola fantatrao. | |
Ruth | Mg1865 | 2:12 | Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao. | |
Ruth | Mg1865 | 2:13 | Dia hoy Izy: Aoka hahita fitia eo imasonao aho, tompokolahy; fa efa nampifaly ahy ianao, ary efa niteny mora tamin’ ny zatovovavinao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ ny zatovovavinao aza aho. | |
Ruth | Mg1865 | 2:14 | Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza. | |
Ruth | Mg1865 | 2:15 | Ary raha nitsangana hitsimpona izy, dia nodidian’ i Boaza ny ankizilahiny hoe: Aoka izy hitsimpona na dia eny anelanelan’ ny amboara aza, ka aza maninona azy. | |
Ruth | Mg1865 | 2:16 | Ary asio latsadatsaka avy amin’ ny amboara, ka avelao ireny hotsimponiny, fa aza raràna izy. | |
Ruth | Mg1865 | 2:17 | Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha. | |
Ruth | Mg1865 | 2:18 | Dia nentiny izany, ka nankany an-tanàna izy, ary hitan’ ny rafozani-vavy izay efa voatsimpony; ary navoakany koa ilay sisa tsy laniny tamin’ ny nisakafoany ka nomeny ny rafozany. | |
Ruth | Mg1865 | 2:19 | Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin’ ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran’ ny lehilahy, izay tompon’ ny tanimbary nitsimponako androany | |
Ruth | Mg1865 | 2:20 | Dia hoy Naomy tamin’ ny vinantonivavy: Hotahin’ i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin’ ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan’ izay mahavotra antsika izy. | |
Ruth | Mg1865 | 2:21 | Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan’ ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana. | |
Ruth | Mg1865 | 2:22 | Ary hoy Naomy tamin’ i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. | |