Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
COLOSSIANS
1 2 3 4
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 4
Colo Mg1865 4:1  Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
Colo Mg1865 4:2  Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
Colo Mg1865 4:3  ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
Colo Mg1865 4:4  mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
Colo Mg1865 4:5  Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
Colo Mg1865 4:6  Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
Colo Mg1865 4:7  Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;
Colo Mg1865 4:8  ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
Colo Mg1865 4:9  ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.
Colo Mg1865 4:10  Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
Colo Mg1865 4:11  ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
Colo Mg1865 4:12  Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
Colo Mg1865 4:13  Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.
Colo Mg1865 4:14  Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
Colo Mg1865 4:15  Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
Colo Mg1865 4:16  Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.
Colo Mg1865 4:17  Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
Colo Mg1865 4:18  Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.