COLOSSIANS
Chapter 2
Colo | Mg1865 | 2:1 | Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’ izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ ny nofo, | |
Colo | Mg1865 | 2:2 | mba hampifalina ny fony amin’ ny ampiraisana azy amin’ ny fitiavana sy ho amin’ ny haren’ ny fahatokiana be avy amin’ ny fahazavan-tsaina, ho amin’ ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, dia Kristy, | |
Colo | Mg1865 | 2:4 | Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ ny teny toa marina. | |
Colo | Mg1865 | 2:5 | Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy. | |
Colo | Mg1865 | 2:6 | Koa tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, | |
Colo | Mg1865 | 2:7 | ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ ny fisaorana. | |
Colo | Mg1865 | 2:8 | Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, fa tsy araka an’ i Kristy. | |
Colo | Mg1865 | 2:10 | ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ ny fanapahana sy ny fahefana rehetra, | |
Colo | Mg1865 | 2:11 | ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy; | |
Colo | Mg1865 | 2:12 | fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’ Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ ny maty. | |
Colo | Mg1865 | 2:13 | Ary ianareo, izay efa matin’ ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’ i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; | |
Colo | Mg1865 | 2:14 | ary novonoiny ny sora-tànan’ ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana, | |
Colo | Mg1865 | 2:15 | ary nesoriny tsy ho eo amin’ ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’ izay avy nandresy. | |
Colo | Mg1865 | 2:16 | Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; | |
Colo | Mg1865 | 2:18 | Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ ny anjely, ka mitompo amin’ ny zavatra efa hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ ny nofony | |
Colo | Mg1865 | 2:19 | ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’ Andriamanitra. | |
Colo | Mg1865 | 2:20 | Ary raha niara-maty tamin’ i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ ny abidim-pianaran’ izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’ izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe: | |
Colo | Mg1865 | 2:22 | levona amin’ ny fanaovana ihany izany rehetra izany ― araka ny didy sy ny fampianaran’ olona? | |