I JOHN
Chapter 4
I Jo | Mg1865 | 4:1 | Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao. | |
I Jo | Mg1865 | 4:2 | Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra; | |
I Jo | Mg1865 | 4:3 | ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy. | |
I Jo | Mg1865 | 4:4 | Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao. | |
I Jo | Mg1865 | 4:5 | Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao. | |
I Jo | Mg1865 | 4:6 | Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana. | |
I Jo | Mg1865 | 4:7 | Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra. | |
I Jo | Mg1865 | 4:8 | Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana. | |
I Jo | Mg1865 | 4:9 | Izao no nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’ izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany. | |
I Jo | Mg1865 | 4:10 | Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’ noho ny fahotantsika. | |
I Jo | Mg1865 | 4:11 | Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. | |
I Jo | Mg1865 | 4:12 | Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. | |
I Jo | Mg1865 | 4:13 | Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. | |
I Jo | Mg1865 | 4:14 | Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. | |
I Jo | Mg1865 | 4:15 | Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra. | |
I Jo | Mg1865 | 4:16 | Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. | |
I Jo | Mg1865 | 4:17 | Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao. | |
I Jo | Mg1865 | 4:18 | Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana. | |
I Jo | Mg1865 | 4:20 | Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany? | |