Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CORINTHIANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 4
II C Mg1865 4:1  Ary amin’ izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindram-po, dia tsy ketraka.
II C Mg1865 4:2  Fa efa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra, ka tsy mandeha amin’ ny fihendrena, na manatsatso ny tenin’ Andriamanitra izahay; fa amin’ ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ ny fieritreretan’ ny olona rehetra eo imason’ Andriamanitra.
II C Mg1865 4:3  Fa raha miafina ny filazantsaranay, dia miafina amin’ izay ho very izany,
II C Mg1865 4:4  izay nohajambain’ ny andriamanitr’ izao tontolo izao, dia ny sain’ ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny filazantsaran’ ny voninahitr’ i Kristy, Izay endrik’ Andriamanitra.
II C Mg1865 4:5  Fa tsy ny tenanay no torinay, Fa Kristy Jesosy Tompo, ary izahay mpanomponareo noho ny amin’ i Jesosy.
II C Mg1865 4:6  Fa Andriamanitra, izay nandidy hoe: Aoka ny mazava hahazava ao amin’ ny maizina, no nampahazava ny fonay ho amin’ ny fahazavan’ ny fahalalana ny voninahitr’ Andriamanitra eo amin’ ny tavan’ i Jesosy Kristy.
II C Mg1865 4:7  Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay.
II C Mg1865 4:8  Voageja manodidina izahay, nefa tsy terỳ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
II C Mg1865 4:9  enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty;
II C Mg1865 4:10  mitondra ny fahafatesan’ i Jesosy mandrakariva ao amin’ ny tena izahay, mba haseho ao amin’ ny tenanay koa ny fiainan’ i Jesosy.
II C Mg1865 4:11  Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’ i Jesosy, mba haseho ao amin’ ny nofonay mety maty koa ny fiainan’ i Jesosy.
II C Mg1865 4:12  Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo.
II C Mg1865 4:13  Ary satria manana izany fanahin’ ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny, dia mino koa izahay ka miteny;
II C Mg1865 4:14  fa fantatray fa Izay nanangana an’ i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo.
II C Mg1865 4:15  Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro.
II C Mg1865 4:16  Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan’ andro isan’ andro kosa ny toetray anatiny.
II C Mg1865 4:17  Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay,
II C Mg1865 4:18  raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.