II KINGS
Chapter 2
II K | Mg1865 | 2:1 | Ary nony efa hampakarin’ i Jehovah ho any an-danitra amin’ ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa. | |
II K | Mg1865 | 2:2 | Ary hoy Elia tamin’ i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy. | |
II K | Mg1865 | 2:3 | Ary nivoaka nankany amin’ i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo. | |
II K | Mg1865 | 2:4 | Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy. | |
II K | Mg1865 | 2:5 | Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo. | |
II K | Mg1865 | 2:6 | Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy. | |
II K | Mg1865 | 2:7 | Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’ i Jordana. | |
II K | Mg1865 | 2:8 | Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin’ ny tany maina izy roa lahy. | |
II K | Mg1865 | 2:9 | Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’ i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ ny fanahinao mba ho ahy. | |
II K | Mg1865 | 2:10 | Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany. | |
II K | Mg1865 | 2:11 | Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra. | |
II K | Mg1865 | 2:12 | Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa. | |
II K | Mg1865 | 2:13 | Ary nalainy ny kapôtin’ i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’ i Jordana. | |
II K | Mg1865 | 2:14 | Dia noraisin’ i Elisa ny kapôtin’ i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’ i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy. | |
II K | Mg1865 | 2:15 | Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’ i Elia efa mipetraka amin’ i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany. | |
II K | Mg1865 | 2:16 | Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ ny Fanahin’ i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo. | |
II K | Mg1865 | 2:17 | Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita. | |
II K | Mg1865 | 2:18 | Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha? | |
II K | Mg1865 | 2:19 | Ary hoy ny mponina tao amin’ izany tanàna izany tamin’ i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’ anaka. | |
II K | Mg1865 | 2:20 | Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany. | |
II K | Mg1865 | 2:21 | Ary nivoaka nankany amin’ ilay niandohan’ ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’ anaka intsony hiseho eto. | |
II K | Mg1865 | 2:23 | Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola! | |
II K | Mg1865 | 2:24 | Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin’ ny anaran’ i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an’ ala namiravira roa amby efa-polo tamin’ ireo ankizilahy madinika ireo. | |