Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
HEBREWS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 6
Hebr Mg1865 6:1  Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin’ i Kristy, fa aoka handroso ho amin’ ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin’ ny asa maty sy finoana an’ Andriamanitra,
Hebr Mg1865 6:2  ary fampianarana ny amin’ ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan’ ny maty sy ny fitsarana mandrakizay.
Hebr Mg1865 6:3  Ary izany no hataontsika, raha avelan’ Andriamanitra.
Hebr Mg1865 6:4  Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masìna
Hebr Mg1865 6:5  ary efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ ny fiainana ho avy,
Hebr Mg1865 6:6  nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ ny fibebahana, satria manombo ny Zanak’ Andriamanitra indray amin’ ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.
Hebr Mg1865 6:7  Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an’ ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra;
Hebr Mg1865 6:8  fa izay maniry tsilo sy songosongo kosa dia lavina sady akaikin’ ny ozona, ary ny hiafarany dia ny hodorana.
Hebr Mg1865 6:9  Nefa, ry malala, na dia miteny izany aza izahay, dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena.
Hebr Mg1865 6:10  Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.
Hebr Mg1865 6:11  Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ ny fanantenana hatramin’ ny farany;
Hebr Mg1865 6:12  mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ ny finoana sy ny faharetana.
Hebr Mg1865 6:13  Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’ i Abrahama ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ ny tenany Izy
Hebr Mg1865 6:14  ka nanao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao”.
Hebr Mg1865 6:15  Ary araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana.
Hebr Mg1865 6:16  Fa ny olona dia mianiana amin’ izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra.
Hebr Mg1865 6:17  Ary amin’ izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ ny fianianana izany,
Hebr Mg1865 6:18  mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’ Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika,
Hebr Mg1865 6:19  izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ ny efitra lamba;
Hebr Mg1865 6:20  tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy.