Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CHRONICLES
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 19
I Ch Mg1865 19:1  Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
I Ch Mg1865 19:2  Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ i Hanona tany amin’ ny tanin’ ny Amonita ny mpanompon’ i Davida hitsapa alahelo azy.
I Ch Mg1865 19:3  Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
I Ch Mg1865 19:4  Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
I Ch Mg1865 19:5  Ary dia nisy lasa nanambara tamin’ i Davida izay natao tamin’ ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
I Ch Mg1865 19:6  Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’ i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak’ i Amona.
I Ch Mg1865 19:7  Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin’ ny mpanjakan’ i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’ i Medeba. Ary nivory ny taranak’ Amona niala tany amin’ ny tanànany avy ka tamy hiady.
I Ch Mg1865 19:8  Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
I Ch Mg1865 19:9  Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
I Ch Mg1865 19:10  Ary rehefa hitan’ i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
I Ch Mg1865 19:11  Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin’ ny taranak’ i Amona ireo.
I Ch Mg1865 19:12  Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao;
I Ch Mg1865 19:13  mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ireo tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
I Ch Mg1865 19:14  Ary nandroso hiady tamin’ ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
I Ch Mg1865 19:15  Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan’ i Abisay, rahalahin’ i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
I Ch Mg1865 19:16  Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadarezera, no nitarika azy.
I Ch Mg1865 19:17  Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin’ ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
I Ch Mg1865 19:18  Fa vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ ny miaramila.
I Ch Mg1865 19:19  Ary nony hitan’ ireo nanoa an’ i Hadarezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’ i Amona intsony ny Syriana.