I CORINTHIANS
Chapter 2
| I Co | Mg1865 | 2:1 | Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra. | |
| I Co | Mg1865 | 2:2 | Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana; | |
| I Co | Mg1865 | 2:3 | ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be; | |
| I Co | Mg1865 | 2:4 | ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery, | |
| I Co | Mg1865 | 2:5 | mba tsy niorenan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny olona, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra ihany. | |
| I Co | Mg1865 | 2:6 | Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; | |
| I Co | Mg1865 | 2:7 | fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao; | |
| I Co | Mg1865 | 2:8 | ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ ny voninahitra. | |
| I Co | Mg1865 | 2:9 | Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy, | |
| I Co | Mg1865 | 2:10 | dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’ ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza. | |
| I Co | Mg1865 | 2:11 | Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ olona, afa-tsy ny fanahin’ ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany. | |
| I Co | Mg1865 | 2:12 | Fa isika tsy nandray ny fanahin’ izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’ Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’ Andriamanitra antsika. | |
| I Co | Mg1865 | 2:13 | Izany koa no lazainay, tsy amin’ ny teny ampianarin’ ny fahendren’ olona fa amin’ ny teny ampianarin’ ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’ izay olona araka ny Fanahy izahay. | |
| I Co | Mg1865 | 2:14 | Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. | |
| I Co | Mg1865 | 2:15 | Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’ olona. | |