Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CORINTHIANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next
Chapter 15
I Co Mg1865 15:1  Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo,
I Co Mg1865 15:2  izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay teny notoriko taminareo, raha tsy nino foana ianareo.
I Co Mg1865 15:3  Fa natolotro anareo ho isan’ ny zavatra voalohany indrindra ilay noraisiko, dia izao: Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masìna,
I Co Mg1865 15:4  dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masìna;
I Co Mg1865 15:5  ary niseho tamin’ i Kefasy Izy, dia vao tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy koa.
I Co Mg1865 15:6  Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, ny ankamaroan’ ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, fa ny sasany efa nodi-mandry.
I Co Mg1865 15:7  Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ i Jakoba Izy, dia tamin’ ny Apostoly rehetra.
I Co Mg1865 15:8  Ary faran’ izy rehetra, izaho, izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa.
I Co Mg1865 15:9  Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho.
I Co Mg1865 15:10  Fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’ Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
I Co Mg1865 15:11  Koa na izaho na ry zareo, dia araka izany no fitorinay, ary araka izany koa no ninoanareo.
I Co Mg1865 15:12  Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ ny maty, ahoana no ilazan’ ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ ny maty?
I Co Mg1865 15:13  Fa raha tsy misy fitsanganan’ ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana;
I Co Mg1865 15:14  ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo.
I Co Mg1865 15:15  Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’ Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’ i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy.
I Co Mg1865 15:16  Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana;
I Co Mg1865 15:17  ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ ny fahotanareo ihany ianareo;
I Co Mg1865 15:18  dia very koa izay efa nodimandry ao amin’ i Kristy.
I Co Mg1865 15:19  Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.
I Co Mg1865 15:20  Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ ny maty tokoa Kristy ho santatr’ izay efa nodi-mandry.
I Co Mg1865 15:21  Ary satria ny olona iray no nisehoan’ ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ ny fitsanganan’ ny maty.
I Co Mg1865 15:22  Fa tahaka ny ahafatesan’ ny olona rehetra ao amin’ i Adama no ahaveloman’ ny olona rehetra kosa ao amin’ i Kristy.
I Co Mg1865 15:23  Nefa samy amin’ ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’ i Kristy amin’ ny fihaviany.
I Co Mg1865 15:24  Ary rehefa afaka izany, dia avy ny farany, ka amin’ izay dia hatolony ho an’ Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
I Co Mg1865 15:25  Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ ny tongony.
I Co Mg1865 15:27  Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin’ ny tongony. Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan’ izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
I Co Mg1865 15:28  Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
I Co Mg1865 15:29  Raha tsy izany, hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ ny maty? Raha tsy hatsangana mihitsy ny maty, nahoana ireny no atao batisa ny aminy?
I Co Mg1865 15:30  Ary nahoana izahay no manao vy very ny ainay mandrakariva?
I Co Mg1865 15:31  Lazaiko marina, ry rahalahy, amin’ ny fireharehako noho ny aminareo, izay ananako ao amin’ i Kristy Jesosy Tompontsika, fa maty isan’ andro aho.
I Co Mg1865 15:32  Raha araka ny fanaon’ olona no niadiako tamin’ ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’ izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
I Co Mg1865 15:33  Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin’ ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
I Co Mg1865 15:34  Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’ Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
I Co Mg1865 15:35  Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?
I Co Mg1865 15:36  Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha;
I Co Mg1865 15:37  ary izay afafinao, tsy dia ny tenany izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voambary, na voa hafa;
I Co Mg1865 15:38  fa Andriamanitra manome azy tena araka izay sitraky ny fony, ary ny voany rehetra dia samy omeny ny tenany avy.
I Co Mg1865 15:39  Tsy mitovy ny nofo rehetra; fa hafa ny an’ ny olona, ary hafa ny nofon’ ny biby, ary hafa ny nofon’ ny vorona, ary hafa ny an’ ny hazandrano.
I Co Mg1865 15:40  Ary misy tenan’ ny any an-danitra, ary misy tenan’ ny etỳ an-tany; fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra, ary hafa ny an’ ny etỳ an-tany.
I Co Mg1865 15:41  Hafa ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary hafa ny voninahitry ny kintana; fa ny kintana anankiray dia hafa voninahitra noho ny kintana anankiray.
I Co Mg1865 15:42  Dia toy izany koa ny fitsanganan’ ny maty: Afafy amin’ ny fahalòvana izy, atsangana amin’ ny tsi-fahalòvana;
I Co Mg1865 15:43  afafy amin’ ny fahafaham-boninahitra izy, atsangana amin’ ny voninahitra; afafy amin’ ny fahalemena izy, atsangana amin’ ny hery;
I Co Mg1865 15:44  afafy tena araka ny fomban’ aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban’ aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.
I Co Mg1865 15:45  Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan’ aina; Adama farany natao fanahy mahavelona.
I Co Mg1865 15:46  Anefa tsy izay amin’ ny fanahy no voalohany, fa izay amin’ ny manan’ aina, dia vao izay amin’ ny fanahy.
I Co Mg1865 15:47  Ny olona voalohany avy amin’ ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
I Co Mg1865 15:48  Izay amin’ ny tany dia tahaka ilay amin’ ny tany; ary izay any an-danitra dia tahaka Ilay any an-danitra.
I Co Mg1865 15:49  Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ ny tany no hitondrantsika ny endrik’ ilay any an-danitra koa.
I Co Mg1865 15:50  Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.
I Co Mg1865 15:51  Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,
I Co Mg1865 15:52  fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana.
I Co Mg1865 15:53  Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.
I Co Mg1865 15:54  Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona.
I Co Mg1865 15:55  Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?.
I Co Mg1865 15:56  Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
I Co Mg1865 15:57  Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
I Co Mg1865 15:58  Koa amin’ izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ ny asan’ ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ ny Tompo.