I CORINTHIANS
Chapter 10
| I Co | Mg1865 | 10:1 | Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ny razantsika rehetra dia tambanin’ ny rahona, ary izy rehetra namaky ny ranomasina, | |
| I Co | Mg1865 | 10:2 | ary izy rehetra dia natao batisa ho amin’ i Mosesy tao amin’ ny rahona sy ny ranomasina, | |
| I Co | Mg1865 | 10:4 | ary izy rehetra nisotro ny fisotrom-panahy iray ihany; fa nisotro tamin’ ny vatolampy fanahy izay nanaraka azy izy, ary Kristy izany vatolampy izany. | |
| I Co | Mg1865 | 10:6 | Ary izany zavatra izany dia tonga anatra ho antsika, mba tsy ho mpila zava-dratsy isika toy ny nilan’ ireny. | |
| I Co | Mg1865 | 10:7 | Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany amin’ ireny, araka ny voasoratra hoe: Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao. | |
| I Co | Mg1865 | 10:8 | Ary aoka tsy hijangajanga isika tahaka ny sasany tamin’ ireny, ka telo arivo amby roa alina no ringana indray andro. | |
| I Co | Mg1865 | 10:9 | Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ ny sasany tamin’ ireny fanahy Azy, ka matin’ ny menarana ireny. | |
| I Co | Mg1865 | 10:10 | Ary aoka tsy himonomonona ianareo tahaka ny sasany tamin’ ireny, izay matin’ ny mpandringana. | |
| I Co | Mg1865 | 10:11 | Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan’ ny faran’ izao tontolo izao. | |
| I Co | Mg1865 | 10:13 | Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. | |
| I Co | Mg1865 | 10:16 | Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ ny ran’ i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ ny tenan’ i Kristy va izany? | |
| I Co | Mg1865 | 10:17 | Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’ izany mofo iray izany avokoa. | |
| I Co | Mg1865 | 10:18 | Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ ny alitara va? | |
| I Co | Mg1865 | 10:19 | Inona ary no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy? | |
| I Co | Mg1865 | 10:20 | Tsia, fa izay zavatra aterin’ ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ ny demonia, fa tsy amin’ Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ ny demonia ianareo. | |
| I Co | Mg1865 | 10:21 | Tsy mahazo misotro amin’ ny kapoaky ny Tompo sy ny kapoaky ny demonia ianareo; tsy mahazo mihinana amin’ ny latabatry ny Tompo sy ny latabatry ny demonia ianareo. | |
| I Co | Mg1865 | 10:23 | Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso. | |
| I Co | Mg1865 | 10:25 | Izay hena rehetra amidy eny an-tsena dia hano, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana; | |
| I Co | Mg1865 | 10:27 | Ary raha misy amin’ ny tsy mino manasa anareo, ka ta-handeha ianareo, dia hano izay arosony eo anoloanareo, fa aza manontany akory noho ny fieritreretana. | |
| I Co | Mg1865 | 10:28 | Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin’ ny sampy io, dia aza homana noho ny amin’ ilay nilaza sy ny fieritreretana. | |
| I Co | Mg1865 | 10:29 | Fieritreretana, hoy izaho, tsy ny an’ ny tenanano, fa ny an’ ny olon-kafa; fa nahoana ny fahafahako no dia tsarain’ ny fieritreretan’ ny olon-kafa? | |
| I Co | Mg1865 | 10:30 | Fa raha amin’ ny fisaorana no andraisako izany, nahoana aho no tenenina ratsy amin’ izay anaovako fisaorana? | |
| I Co | Mg1865 | 10:31 | Koa amin’ izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’ Andriamanitra izany rehetra izany. | |
| I Co | Mg1865 | 10:32 | Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra, | |