Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CORINTHIANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next
Chapter 12
I Co Mg1865 12:1  Ary ny amin’ ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo.
I Co Mg1865 12:2  Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin’ ny sampy moana araka izay nitaomana anareo.
I Co Mg1865 12:3  Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin’ ny Fanahy Masìna.
I Co Mg1865 12:4  Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany.
I Co Mg1865 12:5  Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany.
I Co Mg1865 12:6  Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ ny olona rehetra.
I Co Mg1865 12:7  Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.
I Co Mg1865 12:8  Fa ny anankiray nomen’ ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany,
I Co Mg1865 12:9  ary ny anankiray finoana, amin’ izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’ izany Fanahy iray izany ihany,
I Co Mg1865 12:10  ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.
I Co Mg1865 12:11  Ireo rehetra ireo dia asan’ ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.
I Co Mg1865 12:12  Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.
I Co Mg1865 12:13  Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.
I Co Mg1865 12:15  Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tanana aho, dia tsy mba momba ny tena, amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?
I Co Mg1865 12:16  Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,― koa amin’ izany dia tsy momba ny tena va izy?
I Co Mg1865 12:17  Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana?
I Co Mg1865 12:18  Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ ny tena araka ny sitrapony.
I Co Mg1865 12:19  Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena?
I Co Mg1865 12:20  Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany.
I Co Mg1865 12:21  Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ ny tanana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
I Co Mg1865 12:22  Fa mainka ilaintsika aza ny momba ny tena izay atao ho malemilemy kokoa noho ny sasany.
I Co Mg1865 12:23  Ary ny momba ny tena izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa dia tafiantsika voninahitra bebe kokoa; ary izay tsy misy haja amin’ ny momba ny tenantsika no hajaintsika kokoa;
I Co Mg1865 12:24  fa tsy mila izany ny efa misy haja rahateo amin’ ny momba ny tenantsika. Fa tamin’ ny nanamboaran’ Andriamanitra ny tena, dia izay kely voninahitra no nomeny voninahitra bebe kokoa,
I Co Mg1865 12:25  mba tsy hisy fisarahana eo amin’ ny tena, fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra.
I Co Mg1865 12:26  Ary raha mijaly ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena; fa raha omem-boninahitra kosa ny anankiray amin’ ny momba ny tena, dia miara-mifaly avokoa izay rehetra momba ny tena.
I Co Mg1865 12:27  Ary ianareo no tenan’ i Kristy, ka samy momba ny tenany avokoa araka ny anjaranareo avy.
I Co Mg1865 12:28  Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin’ ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
I Co Mg1865 12:29  Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Mpampianatra va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra?
I Co Mg1865 12:30  Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra? Mandika teny va izy rehetra?
I Co Mg1865 12:31  Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalana tsara indrindra no atoroko anareo: