Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I TIMOTHY
1 2 3 4 5 6
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 6
I Ti Mg1865 6:1  Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.
I Ti Mg1865 6:2  Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
I Ti Mg1865 6:3  Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
I Ti Mg1865 6:4  dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
I Ti Mg1865 6:5  fifandirana lalandava, fanaon’ ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
I Ti Mg1865 6:6  Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana.
I Ti Mg1865 6:7  Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
I Ti Mg1865 6:8  Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’ izany.
I Ti Mg1865 6:9  Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
I Ti Mg1865 6:10  Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
I Ti Mg1865 6:11  Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
I Ti Mg1865 6:12  Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro.
I Ti Mg1865 6:13  Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,
I Ti Mg1865 6:14  mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
I Ti Mg1865 6:15  ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;
I Ti Mg1865 6:16  Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
I Ti Mg1865 6:17  Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika,
I Ti Mg1865 6:18  mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
I Ti Mg1865 6:19  ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
I Ti Mg1865 6:20  Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’ izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
I Ti Mg1865 6:21  izay neken’ ny sasany, ka nania tamin’ ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.