Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CHRONICLES
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 8
II C Mg1865 8:1  Ary nony afaka ny roa-polo taona naonaovan’ i Solomona ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny tenany,
II C Mg1865 8:2  dia namboariny ny tanàna izay nomen’ i Hirama azy ka namponenany ny Zanak’ isiraely.
II C Mg1865 8:3  Ary Solomona nankany Hamata-zoba ka naharesy azy.
II C Mg1865 8:4  Ary nanorina an’ i Tadmora tany an-efitra sy ny tanana fitehirizana rehetra izay nataony tany Hamata izy.
II C Mg1865 8:5  Ary namboariny koa Beti-horona ambony sy Beti-horona ambany, tanàna mafy misy manda sy vavahady mihidy,
II C Mg1865 8:6  ary Baleta sy ny tanàna fitehirizana rehetra izay an’ i Solomona sy ny tanàna rehetra fitoeran-kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly ary izay rehetra tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra.
II C Mg1865 8:7  Ary ny amin’ ny olona sisa rehetra tamin’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Isiraely
II C Mg1865 8:8  dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny taniny, fa tsy naringan’ ny Isiraely, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
II C Mg1865 8:9  Fa ny Zanak’ isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany, fa ireo kosa no miaramila sy komandin’ ny mpanafika malaza ary komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny
II C Mg1865 8:10  Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin’ i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona.
II C Mg1865 8:11  Ary Solomona nitondra ny zanakavavin’ i Farao niakatra avy tany an-Tanànan’ i Davida ho ao amin’ ny trano izay nataony ho azy, fa hoy izy: Ny vadiko tsy mahazo mitoetra ao an-tranon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely, fa masìna izay efa nidiran’ ny fiaran’ i Jehovah.
II C Mg1865 8:12  Ary tamin’ izany Solomona nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah, izay naoriny teo anoloan’ ny lavarangana fidirana;
II C Mg1865 8:13  eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.
II C Mg1865 8:14  Ary notendreny koa ny antokon’ ny mpisorona araka ny nandaharan’ i Davida rainy azy ho amin’ ny fanompoany avy ary ny Levita ho amin’ ny anjara-raharahany koa, dia ny hidera sy hanao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ ny mpisorona araka ny raharaha fanao isan’ andro, ary ny mpiandry varavarana araka ny antokony amin’ ny isam-bavahady; fa izany no nandidian’ i Davida lehilahin’ Andriamanitra, azy.
II C Mg1865 8:15  Ary tsy nialan’ ireo ny didin’ ny mpanjaka tamin’ ny mpisorona sy ny Levita na amin’ inona na amin’ inona, indrindra fa ny amin’ ny rakitra.
II C Mg1865 8:16  Toy izany no nanamboaran’ i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ ny andro nanorenany ny tranon’ i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’ i Jehovah.
II C Mg1865 8:17  Ary tamin’ izay Solomona dia nankany Ezion-gebera sy Elota eo amoron’ ny ranomasina any amin’ ny tany Edoma,
II C Mg1865 8:18  ary ny mpanompon’ i Hirama dia nampandehaniny hitondra sambo sy mpanompo izay mahay ranomasina; ary niara-nandeha tamin’ ny mpanompon’ i Solomona ho any Ofira ireo ka nahazo talenta volamena dimam-polo amby efa-jato tany izy, dia nentiny tany amin’ i Solomona mpanjaka izany.