Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II KINGS
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 13
II K Mg1865 13:1  Tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin’ ny folo taona izy.
II K Mg1865 13:2  Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin’ izany izy.
II K Mg1865 13:3  Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra tamin’ ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, sy teo an-tanan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, mandrakariva izy.
II K Mg1865 13:4  Ary Joahaza nifona tamin’ i Jehovah, dia nohenoin’ i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian’ ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan’ i Syria.
II K Mg1865 13:5  Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin’ ny Isiraely, ka dia afaka tamin’ ny tanan’ ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak’ Isiraely.
II K Mg1865 13:6  Kanefa tsy niala tamin’ ny fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin’ izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
II K Mg1865 13:7  Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
II K Mg1865 13:8  Ary ny tantaran’ i Joahaza sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
II K Mg1865 13:9  Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
II K Mg1865 13:10  Tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin’ ny folo taona izy.
II K Mg1865 13:11  Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy; fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin’ izany ihany izy.
II K Mg1865 13:12  Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
II K Mg1865 13:13  Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
II K Mg1865 13:14  Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
II K Mg1865 13:15  Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
II K Mg1865 13:16  Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin’ ny tanan’ ny mpanjaka.
II K Mg1865 13:17  Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ ny famonjen’ i Jehovah, dia zana-tsipìkan’ ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
II K Mg1865 13:18  Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
II K Mg1865 13:19  Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
II K Mg1865 13:20  Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
II K Mg1865 13:21  Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’ i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ ny taolan’ i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ ny tongony.
II K Mg1865 13:22  Ary Hazaela, mpanjakan’ i Syria, nampahory ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ i Joahaza.
II K Mg1865 13:23  Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
II K Mg1865 13:24  Ary maty Hazaela, mpanjakan’ i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
II K Mg1865 13:25  Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.