Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
REVELATION OF JOHN
Prev Up Next
Chapter 16
Reve Mg1865 16:1  Ary nahare feo mahery avy tao amin’ ny tempoly aho nanao tamin’ ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ ny tany ny ao amin’ ny lovia fito feno ny fahatezeran’ Andriamanitra.
Reve Mg1865 16:2  Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ ny sariny.
Reve Mg1865 16:3  Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran’ ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan’ aina rehetra tao aminy.
Reve Mg1865 16:4  Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
Reve Mg1865 16:5  Ary nahare ny anjelin’ ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masìna, satria efa nitsara toy izany Hianao;
Reve Mg1865 16:6  fa ny ran’ ny olona masìna sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
Reve Mg1865 16:7  Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
Reve Mg1865 16:8  Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy.
Reve Mg1865 16:9  Ary main’ ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran’ Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin’ ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
Reve Mg1865 16:10  Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny seza fiandrianan’ ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
Reve Mg1865 16:11  dia niteny ratsy an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany.
Reve Mg1865 16:12  Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’ i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan’ ireny mpanjaka avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
Reve Mg1865 16:13  Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ ny vavan’ ilay dragona sy tamin’ ny vavan’ ilay bibi-dia ary tamin’ ny vavan’ ilay mpaminany sandoka.
Reve Mg1865 16:14  Fa fanahin’ ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ ny mpanjaka amin’ izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin’ ny adin’ ilay andro lehiben’ Andriamanitra Tsitoha.
Reve Mg1865 16:15  (Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.)
Reve Mg1865 16:16  Ary nangoniny ho any amin’ ny tany atao amin’ ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
Reve Mg1865 16:17  Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, teo amin’ ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
Reve Mg1865 16:18  Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ olona tetỳ ambonin’ ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
Reve Mg1865 16:19  Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’ Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
Reve Mg1865 16:20  Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
Reve Mg1865 16:21  Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.