ECCLESIASTES
Chapter 4
Eccl | Mg1865 | 4:1 | Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro; ary indro ny ranomason’ ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ ny tanan’ ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony. | |
Eccl | Mg1865 | 4:2 | Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona, | |
Eccl | Mg1865 | 4:3 | nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ ny masoandro akory. | |
Eccl | Mg1865 | 4:4 | Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. | |
Eccl | Mg1865 | 4:6 | Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana. | |
Eccl | Mg1865 | 4:8 | Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany. | |
Eccl | Mg1865 | 4:10 | Raha misy lavo izy, dia arenin’ ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy. | |
Eccl | Mg1865 | 4:11 | Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery? | |
Eccl | Mg1865 | 4:12 | Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina. | |
Eccl | Mg1865 | 4:13 | Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony; | |
Eccl | Mg1865 | 4:14 | fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy. | |
Eccl | Mg1865 | 4:15 | Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo. | |
Eccl | Mg1865 | 4:16 | Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany. | |