Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II CHRONICLES
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 25
II C Mg1865 25:1  Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
II C Mg1865 25:2  Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ ny fony rehetra.
II C Mg1865 25:3  Ary nony tafapetraka tsara tamin’ ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
II C Mg1865 25:4  Nefa ny zanak’ ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna, dia ao amin’ ny bokin’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy, fa samy ho faty amin’ ny fahotany avy ny olona.
II C Mg1865 25:5  Ary novorin’ i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
II C Mg1865 25:6  Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
II C Mg1865 25:7  Nefa nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ ny Isiraely; fa tsy omban’ i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
II C Mg1865 25:8  Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ ny ady; fa hataon’ Andriamanitra lavo eo anoloan’ ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
II C Mg1865 25:9  Fa hoy Amazia tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
II C Mg1865 25:10  Dia navahan’ i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ ireo tamin’ ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
II C Mg1865 25:11  Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin’ ny taranak’ i Seïra izy.
II C Mg1865 25:12  Ary ny iray alina sisa nataon’ ny taranak’ i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
II C Mg1865 25:13  Fa ireo miaramila izay nampodin’ i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’ ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
II C Mg1865 25:14  Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’ i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
II C Mg1865 25:15  Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?
II C Mg1865 25:16  Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
II C Mg1865 25:17  Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
II C Mg1865 25:18  Fa Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
II C Mg1865 25:19  Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
II C Mg1865 25:20  Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin’ Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
II C Mg1865 25:21  Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an’ i Joda.
II C Mg1865 25:22  Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
II C Mg1865 25:23  Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
II C Mg1865 25:24  Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ Andriamanitra tao amin’ i Obed-edoma sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
II C Mg1865 25:25  Ary ny andro niainan’ i Amazia zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
II C Mg1865 25:26  Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely va izany?
II C Mg1865 25:27  Ary hatramin’ ny andro nihemoran’ i Amazia tsy nanaraka an’ i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
II C Mg1865 25:28  Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ ny Joda.