Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
II KINGS
Prev Up Next
Chapter 8
II K Mg1865 8:1  Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
II K Mg1865 8:2  Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin’ ny tanin’ ny Filistina.
II K Mg1865 8:3  Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin’ ny tanin’ ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin’ ny mpanjaka izy ny amin’ ny tranony sy ny taniny.
II K Mg1865 8:4  Ary ny mpanjaka niteny tamin’ i Gehazy, zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon’ i Elisa.
II K Mg1865 8:5  Ary raha mbola nilazalaza tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nameloman’ i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin’ ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin’ ny mpanjaka ny amin’ ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin’ i Elisa.
II K Mg1865 8:6  Ary nony nanontanian’ ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren’ ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin’ ny andro nialany tamin’ ny tany ka mandraka ankehitriny.
II K Mg1865 8:7  Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin’ Andriamanitra.
II K Mg1865 8:8  Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin’ Andriamanitra, ary manontania izay tenin’ i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
II K Mg1865 8:9  Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’ izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan’ i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
II K Mg1865 8:10  Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.
II K Mg1865 8:11  Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin’ Andriamanitra.
II K Mg1865 8:12  Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
II K Mg1865 8:13  Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon’ i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan’ i Syria.
II K Mg1865 8:14  Dia niala tamin’ i Elisa izy ka nankany amin’ ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain’ i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.
II K Mg1865 8:15  Ary nony ampitso, dia nalain’ i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin’ ny rano ary nasarony ny tavan’ i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.
II K Mg1865 8:16  Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Jehorama, zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny nanjakan’ i Josafata tany Joda.
II K Mg1865 8:17  Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
II K Mg1865 8:18  Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa ny zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
II K Mg1865 8:19  Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin’ i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an’ ny taranany.
II K Mg1865 8:20  Tamin’ ny androny no niodinan’ i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;
II K Mg1865 8:21  ka dia nankany Zaïra Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin’ ny komandin’ ny kalesy; ary ny olona nandositra nody.
II K Mg1865 8:22  Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin’ izany andro izany.
II K Mg1865 8:23  Ary ny tantaran’ i Jehorama sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va?
II K Mg1865 8:24  Ary Jehorama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
II K Mg1865 8:25  Ary tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda,
II K Mg1865 8:26  Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin’ i Omry, mpanjakan’ ny Isiraely.
II K Mg1865 8:27  Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba, fa vinanton’ ny taranak’ i Ahaba ihany izy.
II K Mg1865 8:28  Ary niaraka tamin’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, izy mba hiady amin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an’ i Jorama.
II K Mg1865 8:29  Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin’ ny feriny tamin’ ny nahavoazan’ ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria. Ary Ahazia, zanak’ i Jehorama, mpanjakan’ ny Joda, nidina hamangy an’ i Jorama, zanak’ i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.