ISAIAH
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
Chapter 63
Isai | Mg1865 | 63:1 | Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy. | |
Isai | Mg1865 | 63:2 | Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an’ izay manosihosy ny famiazam-boaloboka? | |
Isai | Mg1865 | 63:3 | Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra. | |
Isai | Mg1865 | 63:5 | Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy. | |
Isai | Mg1865 | 63:6 | Nanitsaka firenena tamin’ ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin’ ny tany. | |
Isai | Mg1865 | 63:7 | Ny famindram-pon’ i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’ i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ ny fahasoavana tamin’ ny taranak’ Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ ny famindram-pony. | |
Isai | Mg1865 | 63:8 | Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy. | |
Isai | Mg1865 | 63:9 | Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra. | |
Isai | Mg1865 | 63:10 | Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy. | |
Isai | Mg1865 | 63:11 | Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’ i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy, | |
Isai | Mg1865 | 63:12 | Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy, | |
Isai | Mg1865 | 63:13 | Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan’ ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy? | |
Isai | Mg1865 | 63:14 | Tahaka ny fidinan’ ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ ny Fanahin’ i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao. | |
Isai | Mg1865 | 63:15 | Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ ny fonenan’ ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko. | |
Isai | Mg1865 | 63:16 | Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay. | |
Isai | Mg1865 | 63:17 | Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao. | |
Isai | Mg1865 | 63:18 | Vetivety foana no nananan’ ny olonao masìna ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masìna. | |