JUDGES
Chapter 12
Judg | Mg1865 | 12:1 | Ary nivory ny lehilahy amin’ ny Efraima, dia nandeha nianavaratra ka nanao tamin’ i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin’ ny afo ny tranonao sy ianao. | |
Judg | Mg1865 | 12:2 | Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin’ ny taranak’ i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin’ ny tànany ianareo. | |
Judg | Mg1865 | 12:3 | Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin’ ny taranak’ i Amona, ary natolotr’ i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko? | |
Judg | Mg1865 | 12:4 | Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin’ ny Gileada ka niady tamin’ ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin’ ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin’ ny Efraima ao amin’ ny taranak’ i Efraima sy Manase. | |
Judg | Mg1865 | 12:5 | Dia novonjen’ ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin’ ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia, | |
Judg | Mg1865 | 12:6 | dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’ izany andro izany. | |
Judg | Mg1865 | 12:7 | Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin’ ny tanana anankiray any Gileada. | |
Judg | Mg1865 | 12:9 | Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an’ ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy. | |
Judg | Mg1865 | 12:11 | Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy. | |
Judg | Mg1865 | 12:12 | Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin’ ny tanin’ ny Zebolona. | |
Judg | Mg1865 | 12:13 | Ary Abdona, zanak’ i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy. | |
Judg | Mg1865 | 12:14 | Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona. | |