PHILIPPIANS
Chapter 4
Phil | Mg1865 | 4:1 | Ary amin’ izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ ny Tompo ianareo, ry malalako. | |
Phil | Mg1865 | 4:2 | Mananatra an’ i Eodia aho, ary mananatra an’ i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ ny Tompo izy. | |
Phil | Mg1865 | 4:3 | Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ ny filazantsara izy, mbamin’ i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ ny bokin’ ny fiainana. | |
Phil | Mg1865 | 4:6 | Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra. | |
Phil | Mg1865 | 4:7 | Ary ny fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’ i Kristy Jesosy. | |
Phil | Mg1865 | 4:8 | Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. | |
Phil | Mg1865 | 4:9 | Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana. | |
Phil | Mg1865 | 4:10 | Ary faly indrindra ao amin’ ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo. | |
Phil | Mg1865 | 4:11 | Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. | |
Phil | Mg1865 | 4:12 | Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’ inona na amin’ inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. | |
Phil | Mg1865 | 4:15 | Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ ny niandohan’ ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana nanan-draharaha tamiko ny amin’ ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. | |
Phil | Mg1865 | 4:16 | Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy. | |
Phil | Mg1865 | 4:17 | Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. | |
Phil | Mg1865 | 4:18 | Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’ i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’ Andriamanitra sady ankasitrahany. | |
Phil | Mg1865 | 4:19 | Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ ny voninahitra no amin’ i Kristy Jesosy. | |
Phil | Mg1865 | 4:20 | Ary ho an’ Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. | |
Phil | Mg1865 | 4:21 | Manaova veloma ny olona masìna rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko. | |