PHILIPPIANS
Chapter 2
Phil | Mg1865 | 2:1 | Koa raha misy famporisihana ao amin’ i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, | |
Phil | Mg1865 | 2:2 | dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, | |
Phil | Mg1865 | 2:3 | tsy manao na inona na inona amin’ ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin’ ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. | |
Phil | Mg1865 | 2:6 | Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra, | |
Phil | Mg1865 | 2:7 | fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona; | |
Phil | Mg1865 | 2:8 | ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana. | |
Phil | Mg1865 | 2:9 | Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, | |
Phil | Mg1865 | 2:10 | mba ho amin’ ny anaran’ i Jesosy no handohalehan’ ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ ny tany, | |
Phil | Mg1865 | 2:11 | sy haneken’ ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray. | |
Phil | Mg1865 | 2:12 | Koa amin’ izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. | |
Phil | Mg1865 | 2:13 | Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. | |
Phil | Mg1865 | 2:15 | mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’ Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’ izao tontolo izao, | |
Phil | Mg1865 | 2:16 | mitana ny tenin’ ny fiainana, mba hisy ho reharehako amin’ ny andron’ i Kristy, ka tsy ho nihazakazaka foana aho na nisasatra foana. | |
Phil | Mg1865 | 2:17 | Eny, na dia haidina ho fanatitra aidina eo amin’ ny fanatitra ny fisoronan’ ny finoanareo aza aho, dia faly ka miara-mifaly aminareo rehetra. | |
Phil | Mg1865 | 2:19 | Nefa manantena ao amin’ i Jesosy Tompo aho fa haniraka an’ i Timoty faingana ho atỳ aminareo, mba hifaliako koa, rehefa fantatro ny toetrareo. | |
Phil | Mg1865 | 2:20 | Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo. | |
Phil | Mg1865 | 2:22 | izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy. | |
Phil | Mg1865 | 2:25 | Nefa nihevitra aho fa tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo Epafrodito, rahalahiko sady mpiray asa amiko no miaramila namako ary irakareo sy mpanompo hanome izay nilaiko. | |
Phil | Mg1865 | 2:27 | Eny, fa narary saiky maty tokoa izy; nefa Andriamanitra namindra fo taminy, ary tsy taminy ihany, fa tamiko koa, fandrao hanana alahelo mifanontona aho. | |
Phil | Mg1865 | 2:28 | Koa nazoto kokoa haniraka azy aho, mba hifalianareo, rehefa hitanareo indray izy, ary mba ho afaka alahelo kokoa aho. | |
Phil | Mg1865 | 2:29 | Koa raiso ao amin’ ny Tompo izy amin’ ny fifaliana indrindra, ary omeo voninahitra izay olona tahaka izany; | |