RUTH
Chapter 1
Ruth | Mg1865 | 1:1 | Ary tamin’ ny andro nitsaran’ ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ ny zanany roa lahy; | |
Ruth | Mg1865 | 1:2 | Elimeleka no anaran-dralehilahy, ary Naomy no anaran’ ny vadiny, ary ny anaran’ ny zanany roa lahy dia Malona sy Kiliona, Efratita avy any Betlehema-joda izy ireo. Dia tonga tany amin’ ny tany Moaba izy ka nitoetra tany. | |
Ruth | Mg1865 | 1:4 | Ary naka vady tamin’ ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran’ ny anankiray, ary Rota no anaran’ ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy. | |
Ruth | Mg1865 | 1:5 | Ary maty koa izy mirahalahy, dia Malona sy Kiliona, ka dia namoy ny zanany roa lahy sy ny vadiny ravehivavy. | |
Ruth | Mg1865 | 1:6 | Dia niainga izy sy ny vinantoni-vavy ka nody avy tany amin’ ny tany Moaba; fa efa reny tany amin’ ny tany Moaba fa novangian’ i Jehovah ny olony ka nomeny hanina. | |
Ruth | Mg1865 | 1:7 | Dia niala tamin’ izay nitoerany izy, ary ny vinantony roa vavy niaraka taminy; ary nandeha teny an-dalana izy hiverina any amin’ ny tanin’ ny Joda. | |
Ruth | Mg1865 | 1:8 | Ary hoy Naomy tamin’ ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin’ ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin’ i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin’ ny maty sy tamiko koa. | |
Ruth | Mg1865 | 1:9 | Homen’ i Jehovah tokan-trano anie ianareo ka hahita fiadanana amin’ izay tranon’ ny vadinareo avy. Dia nanoroka azy Naomy; ary izy roa vavy dia samy nanandratra ny feony ka nitomany. | |
Ruth | Mg1865 | 1:10 | Dia hoy izy roa vavy taminy: Hiara-miverina aminao tokoa izahay ho any amin’ ny firenenao. | |
Ruth | Mg1865 | 1:11 | Fa hoy Naomy: Miverena ihany ianareo, anaka; nahoana no hiara-mandeha amiko ianareo? Mbola misy zazalahy va ato an-kiboko mba ho vadinareo? | |
Ruth | Mg1865 | 1:12 | Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy, | |
Ruth | Mg1865 | 1:13 | moa hahandry azy mandra-pahalehibeny va ianareo ka hijanona tsy hanam-bady? Tsia, anaka, fa mangidy lavitra ny nanjo ahy noho ny nanjo anareo; fa ny tànan’ i Jehovah efa nahinjiny hamely ahy. | |
Ruth | Mg1865 | 1:14 | Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. | |
Ruth | Mg1865 | 1:15 | Ary hoy izy: Indro ny rahavavinao lasa nody ho any amin’ ny fireneny sy ny andriamaniny ka mba miverena ianao koa hanaraka ny rahavavinao. | |
Ruth | Mg1865 | 1:16 | Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin’ ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; | |
Ruth | Mg1865 | 1:17 | izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’ i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. | |
Ruth | Mg1865 | 1:18 | Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. | |
Ruth | Mg1865 | 1:19 | Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity? | |
Ruth | Mg1865 | 1:20 | Fa hoy izy taminy: Aza atao hoe Naomy intsony aho, fa ataovy hoe Mara, satria mangidy indrindra ny nataon’ ny Tsitoha amiko. | |
Ruth | Mg1865 | 1:21 | Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’ i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy? | |