Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
DEUTERONOMY
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 20
Deut Mg1865 20:1  Raha mivoaka hanafika ny fahavalonao ianao ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy; fa Jehovah Andriamanitrao kosa, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, no momba anao.
Deut Mg1865 20:2  Ary rehefa hanafika ianareo, dia hanatona ny mpisorona ka hiteny amin’ ny olona hoe:
Deut Mg1865 20:3  Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
Deut Mg1865 20:4  fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.
Deut Mg1865 20:5  Dia hiteny amin’ ny olona ireo mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay efa nanao trano vaovao, nefa tsy mbola nitokanany? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
Deut Mg1865 20:6  Ary iza no olona izay efa nanao tanim-boaloboka, nefa tsy mbola nihinana ny vokatra? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hihinana ny vokatra.
Deut Mg1865 20:7  Ary iza no olona izay efa nifofo vady, nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin’ ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
Deut Mg1865 20:8  Ary mbola hiteny amin’ ny olona ihany ny mpifehy azy ka hanao hoe: Iza no olona izay matahotra ka osa fo? Aoka handeha hiverina any an-tranony izy, fandrao ho ketraka tahaka ny fony koa ny fon’ ny rahalahiny.
Deut Mg1865 20:9  Ary rehefa vitan’ ny mpifehy vahoaka ny teny ataony amin’ ny olona, dia hasiany mpifehy ny miaramila hitarika azy.
Deut Mg1865 20:10  Raha mby akaikin’ izay tanàna hiadiana ianao, dia milazà fihavanana aminy.
Deut Mg1865 20:11  Ary raha fihavanana no avaliny anao, ka mampandroso anao izy, dia hampanaovinao fanompoana ny olona rehetra ao, ka hanompo anao izy.
Deut Mg1865 20:12  Fa raha tsy mety manao fihavanana aminao kosa izy, fa te-hiady aminao, dia ataovy fahirano izy.
Deut Mg1865 20:13  Ary rehefa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia hovonoinao amin’ ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
Deut Mg1865 20:14  Fa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amim-behivavy sy ny biby fiompy ary izay rehetra ao an-tanàna, dia ho entinao ho anao; ary hohaninao ny babo azo tamin’ ny fahavalonao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
Deut Mg1865 20:15  Toy izany no hataonao amin’ ny tanàna rehetra izay lavitra anao indrindra ka tsy tanànan’ ireto firenena ireto.
Deut Mg1865 20:16  Fa ny tanànan’ ireto firenena ireto kosa, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, dia aza asiana miangana izay olona rehetra ao.
Deut Mg1865 20:17  Fa aringano tokoa ireo, dia ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao,
Deut Mg1865 20:18  mba tsy hampianarany anareo hanao araka ny fahavetavetany rehetra izay nataony tamin’ ireo andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Deut Mg1865 20:19  Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin’ ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin’ ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
Deut Mg1865 20:20  Kanefa ny hazo izay fantatrao fa tsy fihinam-boa dia kapao ihany, ka ataovy manda hamelezana ny tanàna izay miady aminao mandra-paharesiny.