DEUTERONOMY
Chapter 3
Deut | Mg1865 | 3:1 | Dia niverina isika ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan’ i Basana, mbamin’ ny vahoakany rehetra. | |
Deut | Mg1865 | 3:2 | Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona. | |
Deut | Mg1865 | 3:3 | Dia natolotr’ i Jehovah Andriamanitsika teo an-tanantsika koa Oga, mpanjakan’ i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha-tsi-hisy niangana na dia iray akory aza. | |
Deut | Mg1865 | 3:4 | Dia afatsika ny tanànany rehetra tamin’ izany andro izany, tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enim-polo, dia ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’ i Oga tany Basana. | |
Deut | Mg1865 | 3:5 | Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro. | |
Deut | Mg1865 | 3:6 | Dia naringantsika ireny tahaka izay efa nataontsika tamin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona; naringana ny mponina rehetra tamin’ ny isan-tanàna mbamin’ ny zaza amim-behivavy. | |
Deut | Mg1865 | 3:7 | Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika. | |
Deut | Mg1865 | 3:8 | Ary nalaintsika tamin’ izany andro izany tamin’ ny mpanjaka roan’ ny Amorita ny tany izay any an-dafin’ i Jordana, hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona | |
Deut | Mg1865 | 3:10 | dia ny tanàna rehetra amin’ ny tany lemaka sy Gileada rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga tany Basana. | |
Deut | Mg1865 | 3:11 | Fa Oga, mpanjakan’ i Basana, ihany no sisa velona tamin’ ny Refalta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban’ ny taranak’ i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon’ ny lehilahy. | |
Deut | Mg1865 | 3:12 | Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita. | |
Deut | Mg1865 | 3:13 | ry Gileada sisa sy Basana rehetra, izay fanjakan’ i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny firenen’ i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia Basana rehetra (atao hoe tanin’ ny Refaïta izany. | |
Deut | Mg1865 | 3:14 | Jaïra, zanak’ i Manase, no nahafaka ny tany Argoba rehetra, hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’ izany (dia Basana) nataony hoe Havota-jaïra, araka ny anaran-tenany ihany, mandraka androany). | |
Deut | Mg1865 | 3:16 | Ary ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha, sy ny fari-tany hatramin’ ny amoron’ ny lohasahan-driaka Jaboka, izay fari-tanin’ ny taranak’ i Amona, | |
Deut | Mg1865 | 3:17 | ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’ i Pisga, dia ao atsinanany. | |
Deut | Mg1865 | 3:18 | Ary nandidy anareo tamin’ izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo ianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady. | |
Deut | Mg1865 | 3:19 | Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo (fantatro fa be omby ianareo) dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo, | |
Deut | Mg1865 | 3:20 | mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo, ka holovany koa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy any an-dafin’ i Jordana; dia hiverina ianareo, samy ho any amin’ ny taniny avy, izay nomeko anareo. | |
Deut | Mg1865 | 3:21 | Dia nandidy an’ i Josoa aho tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Ny masonao efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’ i Jehovah amin’ ny fanjakana rehetra izay halehanao. | |
Deut | Mg1865 | 3:24 | Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin’ ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao? | |
Deut | Mg1865 | 3:25 | Aoka mba handeha hita aho ka hahita ny tany soa izay any an-dafin’ i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy Libanona. | |
Deut | Mg1865 | 3:26 | Fa tezitra tamiko Jehovah noho ny aminareo ka tsy nihaino ahy; dia hoy Jehovah tamiko: Aoka izay, fa aza miteny amiko intsony ny amin’ izany zavatra izany ianao. | |
Deut | Mg1865 | 3:27 | Miakara eo an-tampon’ i Pisga ianao, ary atopazy ny masonao miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao; | |
Deut | Mg1865 | 3:28 | fa mandidia an’ i Josoa ianao, dia mampahereza azy sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao. | |