DEUTERONOMY
Chapter 27
Deut | Mg1865 | 27:1 | Ary Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio. | |
Deut | Mg1865 | 27:2 | Ary amin’ ny andro izay hitànareo an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay; | |
Deut | Mg1865 | 27:3 | dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao. | |
Deut | Mg1865 | 27:4 | Ary rehefa tafita an’ i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay. | |
Deut | Mg1865 | 27:5 | Ary manorena alitara ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy. | |
Deut | Mg1865 | 27:6 | Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an’ i Jehovah Andriamanitrao. | |
Deut | Mg1865 | 27:7 | Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao. | |
Deut | Mg1865 | 27:8 | Ary soraty amin’ ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra. | |
Deut | Mg1865 | 27:9 | Dia niteny tamin’ ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen’ i Jehovah Andriamanitrao ianao. | |
Deut | Mg1865 | 27:10 | Koa henoy ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio. | |
Deut | Mg1865 | 27:12 | Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina. | |
Deut | Mg1865 | 27:13 | Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly. | |
Deut | Mg1865 | 27:15 | Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:16 | Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:17 | Hozonina izay mamindra ny faritanin’ ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:19 | Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:20 | Hozonina izay mandry amin’ ny vadin-drainy, fa mandry amin’ izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:22 | Hozonina izay mandry amin’ ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:23 | Hozonina izay mandry amin’ ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:24 | Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |
Deut | Mg1865 | 27:25 | Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena. | |