Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
DEUTERONOMY
Prev Up Next
Chapter 31
Deut Mg1865 31:1  Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin’ ny Isiraely rehetra
Deut Mg1865 31:2  ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
Deut Mg1865 31:3  Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
Deut Mg1865 31:4  Ary Jehovah hanao amin’ ireo tahaka ny nataony tamin’ i Sihona sy Oga, mpanjakan’ ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin’ ny taniny.
Deut Mg1865 31:5  Dia hatolotr’ i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
Deut Mg1865 31:6  Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
Deut Mg1865 31:7  Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Deut Mg1865 31:8  Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Deut Mg1865 31:9  Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.
Deut Mg1865 31:10  Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,
Deut Mg1865 31:11  ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.
Deut Mg1865 31:12  Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
Deut Mg1865 31:13  Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
Deut Mg1865 31:14  Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.
Deut Mg1865 31:15  Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.
Deut Mg1865 31:16  Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
Deut Mg1865 31:17  Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Deut Mg1865 31:18  Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
Deut Mg1865 31:19  Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Deut Mg1865 31:20  Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
Deut Mg1865 31:21  Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
Deut Mg1865 31:22  Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.
Deut Mg1865 31:23  Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
Deut Mg1865 31:24  Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,
Deut Mg1865 31:25  dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, izy ka nanao hoe:
Deut Mg1865 31:26  Raiso ity bokin’ ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
Deut Mg1865 31:27  Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
Deut Mg1865 31:28  Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Deut Mg1865 31:29  Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
Deut Mg1865 31:30  Dia nolazain’ i Mosesy teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin’ izao fihirana izao mandra-pahavitany.