Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
DEUTERONOMY
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 32
Deut Mg1865 32:1  Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ ny vavako!
Deut Mg1865 32:2  Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin’ ny anana.
Deut Mg1865 32:3  Fa ny anaran’ i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan’ Andriamanitsika.
Deut Mg1865 32:4  Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.
Deut Mg1865 32:5  Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.
Deut Mg1865 32:6  Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?
Deut Mg1865 32:7  Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin’ ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;
Deut Mg1865 32:8  Fony nomen’ ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak’ olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin’ ireo firenena Araka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely.
Deut Mg1865 32:9  Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.
Deut Mg1865 32:10  Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin’ ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
Deut Mg1865 32:11  Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin’ ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin’ ny elany,
Deut Mg1865 32:12  Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.
Deut Mg1865 32:13  Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovato
Deut Mg1865 32:14  Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.
Deut Mg1865 32:15  Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
Deut Mg1865 32:16  Nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny hafa Izy; Ary tamin’ ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;
Deut Mg1865 32:17  Namono zavatra ho fanatitra ho an’ ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ ny razanareo.
Deut Mg1865 32:18  Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.
Deut Mg1865 32:19  Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.
Deut Mg1865 32:20  Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.
Deut Mg1865 32:21  Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.
Deut Mg1865 32:22  Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
Deut Mg1865 32:23  Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:
Deut Mg1865 32:24  Hofezahin’ ny mosary izy sady holanin’ ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran’ ny Isiraely. Mbamin’ ny poizin’ ny biby mpikisaka amin’ ny vovoka.
Deut Mg1865 32:25  Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin’ ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.
Deut Mg1865 32:26  Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona,
Deut Mg1865 32:27  Raha tsy ny fireharehan’ ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.
Deut Mg1865 32:28  Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.
Deut Mg1865 32:29  Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.
Deut Mg1865 32:30  Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?
Deut Mg1865 32:31  Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.
Deut Mg1865 32:32  Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’ i Sodoma Ary avy ao amin’ ny sahan’ i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.
Deut Mg1865 32:33  Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ ny dragona, Ary poizina loza avy amin’ ny bibilava.
Deut Mg1865 32:34  Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?
Deut Mg1865 32:35  Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Deut Mg1865 32:36  Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
Deut Mg1865 32:37  Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,
Deut Mg1865 32:38  Izay nihinana ny saboran’ ny fanatiny Ary nisotro ny divain’ ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.
Deut Mg1865 32:39  Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ ny tanako.
Deut Mg1865 32:40  Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
Deut Mg1865 32:41  Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.
Deut Mg1865 32:42  Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran’ ny voavono sy ny babo Mbamin’ ny lohan’ izay lehibe amin’ ny fahavalo.
Deut Mg1865 32:43  Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.
Deut Mg1865 32:44  Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin’ izany fihirana izany teo anatrehan’ ny olona, dia izy sy Hosea, zanak’ i Nona.
Deut Mg1865 32:45  Ary nony efa tapitra voalazan’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,
Deut Mg1865 32:46  dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
Deut Mg1865 32:47  Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
Deut Mg1865 32:48  Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:
Deut Mg1865 32:49  Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ ny tany Moaba tandrifin’ i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’ Isiraely ho lovany.
Deut Mg1865 32:50  Dia aoka ho faty ao amin’ ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin’ ny razanao, tahaka ny nahafatesan’ i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin’ ny razany,
Deut Mg1865 32:51  satria nivadika tamiko teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo tao amin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo.
Deut Mg1865 32:52  Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.