DEUTERONOMY
Chapter 17
Deut | Mg1865 | 17:1 | Aza vonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany. | |
Deut | Mg1865 | 17:2 | Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny | |
Deut | Mg1865 | 17:3 | ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy, | |
Deut | Mg1865 | 17:4 | ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin’ ny Isiraely izany fahavetavetana izany: | |
Deut | Mg1865 | 17:5 | dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty. | |
Deut | Mg1865 | 17:6 | Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy. | |
Deut | Mg1865 | 17:7 | Ny tanan’ ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy. | |
Deut | Mg1865 | 17:8 | Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao. | |
Deut | Mg1865 | 17:9 | ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana. | |
Deut | Mg1865 | 17:10 | Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao. | |
Deut | Mg1865 | 17:11 | Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia. | |
Deut | Mg1865 | 17:12 | Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy. | |
Deut | Mg1865 | 17:14 | Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy, | |
Deut | Mg1865 | 17:15 | dia izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin’ ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ ny rahalahinao ianao. | |
Deut | Mg1865 | 17:16 | Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony. | |
Deut | Mg1865 | 17:17 | Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy. | |
Deut | Mg1865 | 17:18 | Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona. | |
Deut | Mg1865 | 17:19 | Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’ i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’ izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy, | |