Site uses cookies to provide basic functionality.

OK
I CORINTHIANS
1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16
Prev Up Next Toggle notes
Chapter 6
I Co Mg1865 6:1  Misy aminareo va, raha manana ady amin’ ny namany, sahy handeha hotsarain’ ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan’ ny olona masìna?
I Co Mg1865 6:2  Sa tsy fantatrareo fa ny olona masìna dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo?
I Co Mg1865 6:3  Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.
I Co Mg1865 6:4  Koa raha misy hotsarainareo ny amin’ ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon’ ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara?
I Co Mg1865 6:5  Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin’ ny rahalahiny?
I Co Mg1865 6:6  Fa ny rahalahy mandeha hiady amin’ ny rahalahiny, na dia hotsarain’ ny tsy mino aza.
I Co Mg1865 6:7  Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin’ ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo?
I Co Mg1865 6:8  Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.
I Co Mg1865 6:9  Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita
I Co Mg1865 6:10  sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra.
I Co Mg1865 6:11  Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika.
I Co Mg1865 6:12  Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
I Co Mg1865 6:13  Ny hanina dia ho an’ ny kibo, ary ny kibo ho an’ ny hanina; nefa samy holevonin’ Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ ny fijangajangana, fa ho an’ ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ ny tena.
I Co Mg1865 6:14  Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ ny heriny.
I Co Mg1865 6:15  Tsy fantatrareo va fa momba ny tena’ i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’ i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ ny vehivavy janga? Sanatria izany!
I Co Mg1865 6:16  Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa.
I Co Mg1865 6:17  Fa izay miray amin’ ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.
I Co Mg1865 6:18  Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ ny olona dia eny ivelan’ ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ ny tenany.
I Co Mg1865 6:19  Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masìna, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo ianareo.
I Co Mg1865 6:20  Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ ny tenanareo.