I KINGS
Chapter 9
I Ki | Mg1865 | 9:1 | Ary rehefa vitan’ i Solomona ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao, | |
I Ki | Mg1865 | 9:2 | dia niseho tamin’ i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona. | |
I Ki | Mg1865 | 9:3 | Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin’ ity mandrakariva ny masoko sy ny foko. | |
I Ki | Mg1865 | 9:4 | Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao tamin’ ny fahitsian’ ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, | |
I Ki | Mg1865 | 9:5 | dia hampitoeriko mandrakizay amin’ ny Isiraely ny seza fiandrianan’ ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin’ i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao. | |
I Ki | Mg1865 | 9:6 | Fa raha miala amin’ ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany, | |
I Ki | Mg1865 | 9:7 | dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra; | |
I Ki | Mg1865 | 9:8 | ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan’ izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon’ i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity? | |
I Ki | Mg1865 | 9:9 | Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an’ i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, ary nikikitra tamin’ andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran’ i Jehovah izao loza rehetra izao taminy. | |
I Ki | Mg1865 | 9:10 | Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan’ i Solomona ny trano roa, dia ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ ny mpanjaka | |
I Ki | Mg1865 | 9:11 | (Hirama, mpanjakan’ i Tyro, nanome an’ i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen’ i Solomona tanàna roa-polo tany amin’ ny tany Galilia kosa Hirama. | |
I Ki | Mg1865 | 9:12 | Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen’ i Solomona azy, ka tsy tiany ireny. | |
I Ki | Mg1865 | 9:13 | Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany. | |
I Ki | Mg1865 | 9:15 | Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera | |
I Ki | Mg1865 | 9:16 | (fa Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an’ i Gazera ka nandoro azy tamin’ ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an’ ny zananivavy, vadin’ i Solomona), | |
I Ki | Mg1865 | 9:19 | ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan’ i Solomona sy ny tanàna fitoeran’ ny kalesy sy ny tanàna fitoeran’ ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian’ i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin’ ny tany nanjakany rehetra. | |
I Ki | Mg1865 | 9:20 | Ary ny olona sisa rehetra tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ ny Zanak’ Isiraely, | |
I Ki | Mg1865 | 9:21 | dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny tany, izay tsy azon’ ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany. | |
I Ki | Mg1865 | 9:22 | Fa ny Zanak’ Isiraely dia tsy mba nampanaovin’ i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. | |
I Ki | Mg1865 | 9:23 | Izao no isan’ ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan’ i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa. | |
I Ki | Mg1865 | 9:24 | Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan’ i Davida ny zanakavavin’ i Farao hankany amin’ ny tranony izay nataon’ i Solomona ho azy, dia nanao an’ i Milo koa izy. | |
I Ki | Mg1865 | 9:25 | Ary intelo isan-taona no nanateran’ i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin’ ny alitara izay naoriny ho an’ i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin’ ny alitara teo anatrehan’ i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano. | |
I Ki | Mg1865 | 9:26 | Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan’ i Elota, ao amoron’ ny Ranomasina Mena, amin’ ny tany Edoma. | |
I Ki | Mg1865 | 9:27 | Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin’ ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin’ ny vahoakan’ i Solomona. | |